Ny enina afaka noho ny fisalasalana ary ny iray kosa sazy mihantona herintaona. Nivoaka omaly ny didim-pitsarana ireo fito lahy izay voasambotra tetsy amin’ny 13 mai, ny 05 janoary lasa teo. Notazonina nandritry ny roa andro tao amin’ny borigadin’ny zandary misahana ny raharaha momba ny heloka bevava, tetsy Fiadanana, izy ireo ny asabotsy sy alahady teo. Ny ampitson’iny kosa no natolotra ny fampanoavana ary nidoboka am-ponja vonjimaika hatramin’ny omaly; izay nanatontosana ny fotoam-pitsarana. Vesatra ara-pitsarana telo no antony nanenjehana azy ireo, dia: ny fandraisana anjara tao anatin’ny fivoriam-bahoaka tsy nahazoana alàlana, ny fanohintohinana ny filaminana anatiny ary ny faniratsirana sy fikasihan-tànana ny mpitandro filaminana. Efatra andro am-ponja, natao omaly ny fitsarana izay heverina fa nihaino ny hevitry ny besinimaro ihany dia ny antso ny mba hanafahana ireo olona ireo izany. Betsaka ny olona no niangavy ny amin’ny hamotsorana azy fito lahy, satria efa tsy fotoan’ny fifanenjehana intsony ny fotoana toy izao, ny kandidà izay resy rahateo dia efa niarahaba ny Filoha vaovao ary koa nanainga ny maro mba hilamina. Nisy akony avy hatrany tany amin’ny raharaham-pitsarana izany, raha ny fijerin’ny mpanara-baovao azy. Hafaliana ny an’ireo olona omaly rehefa fantatra, fa afaka tamin’ny famonjana izay efa nananontanona izy ireo. Mbola eo amin’izay raharaham-pitsarana izay ihany dia fantatra, avy amin’ny loharanom-baovao eo anivon’ny zandary, fa mitombo ihany ny olona izay hohenoina mahakasika ilay fitoriana nataon’ny Primatiora ireo mpitari-tolona sasany sy mpanao gazety lasa mpitari-tolona teny amin’ny 13 mai. Misy 13 ireo no hohenoina ary vao ny telo no vita hatreto. Nanonona anaran’olona hafa ireo efa vita fakàna am-bavany ary lasa miitatra kely izany ny fanadihadiana. Miandry ny fahavitan’izany ny fanolorana azy ireo eny amin’ny fampanoavana izay vao hotontosaina
D.R