- Publicité -
dimanche, juillet 20, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha 13 mey : Hiakatra fampanoavana rahampitso

Raharaha 13 mey : Hiakatra fampanoavana rahampitso

Rehefa vita tanteraka ny anjaran’ny mpanao fanadihadiana manokana teo anivon’ny zandarimaria, etsy amin’ny toby Ratsimandrava, dia hiakatra fampanaovana amin’izay ny raharaha. Amin’ny zoma ho avy izao no hatolotra ny fampanoavana ireo olona fito izay notorian’ny primatiora noho ny fanohintohinana ny filaminana anatiny sy ny famoriam-bahoaka tsy nahazoana alàlana ary koa ny fampiasàna ny haino aman-jery mba hitarika ny olona ho amin’izany. Efa vita avokoa ny fakàna am-bavany ireo olona rehetra izay voakasiky ny fitoriana. Betsaka ny mparana-baovao no nieritreritra fa ho vita ny fanenjehana taorian’ny faneken’ny kandidà notohanan’ireo olona ho resy. Toraka izany koa, rehefa nanao antso avo tamin’ny fitondràna vaovao ny kandidà voakasika ny amin’ny tokony hanajanonana amin’izay izay mety ho fifanenjehana ara-pôlitika isan-karazany ka hibanjinana miaraka amin’izay ny fampandrosoana ny firenena. Raha jerena amin’izay fijery izay dia tsy nohenoina izany ary tsy nasiana lanjany loatra izay antso izay. Amin’ny lafiny iray koa anefa, ny fanenjehana ara-pitsaràna, indrindra raha amin’ny raharaha goavana toa itony, dia tsy azo ajanona fotsiny amin’izao, izany hoe rehefa vita ny fanadihadiana savaranonando ataon’ny mpitandro ny filaminana. Tsy maintsy atolotra ny fampanoavana hatrany ary ny eny no manapa-kevitra raha hotohizana ny fanenjehana na tsia. Misy ny mahita fa mety ho fanarahana ny paik’adim-pitsaràna fotsiny no hatao amin’io zoma io dia hivalona eo ny raharaha. Asa anefa, tsy mbola misy mahalala izay mety hiseho, satria efa avolenta loatra ny fifanenjehana ara-pôlitika teo alohaloha kely teo, indrindra tamin’ny vanim-potoanan’ny fampielezan-kevitra.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

3 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici