- Publicité SW45 -
samedi, juin 29, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRaharaha 16 miliara : Hanao grevy mandritra ny 48 ora ny BCMM

Raharaha 16 miliara : Hanao grevy mandritra ny 48 ora ny BCMM

Taorian’ny nandefasana ireo olona miisa dimy tazonina vonjimaika eny am-ponja miakasika ny raharaha famoahana vola 16 miliara, fantatra izao fa hanao grevy mandritra ny 48 ora ny mpiasa ao amin’ny BCMM. Araka ny filazan’izy ireo dia ry zareo no nanaitra ny tompon’andraikitra tamin’ity raharaha ity nefa dia izao nisy olona avy ao aminy gadraina izao.  Raha tsiahivina dia olona dimy no niatrika ny Fampanohavana tamin’ny alarobia lasa teo ary naiditra am-ponja vonjy maika. Mpiasa avy ao amin’ny prezidansa sy avy ao amin’ny BCMM avokoa izy ireo. Isan’ny nohenoina tamin’ity raharaha ity ny Tale jeneralin’ny tahirim-bolam-panjakana sy ny sekretera jeneralin’ny ministeran’ny fitantanam-bolam-panjakana. Toejavatra izay tsy nahafaly ny teknisiana sy ny mpiasa teo anivon’ireo biraom-panjakana ireo ka nahatonga azy ireo hitokona nandritra ny andro iray. Ireo mpiasam-panjakana ambony roa voatonona ireo dia noraisina ho toa ny vavolombelona tsotra ihany, raha araka ny fanazavan’ny zandary. Mbola mety hiitatra ny fanadihadiana momba ity raharaha ity, satria tambajotra ireo ao ambadikany, raha araka ny tsilian-tsofina heno.

r.s.

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser