- Publicité SW45 -
samedi, juin 29, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRaharaha 16 miliara : Olona dimy naiditra am-ponja

Raharaha 16 miliara : Olona dimy naiditra am-ponja

Natolotra ny fampanoavana omaly ireo olona dimy, izay voarohirohy fa nikasa hanodina vola mitentina 16 miliara ariary avy amin’ny alàlan’ny Bureau des Cadastres Miniers de Madagascar (BCMM). Mpiasa eo anivon’ny prezidansa sy ny BCMM ireo dimy naiditra am-ponja vonjimaika omaly raha araka ny fanazava azo tamin’ny loharanom-baovao akaiky ity raharaha ity. Raha tsiahivina dia isan’ny nohenoina tamin’ity raharaha ity ny Tale jeneralin’ny tahirim-bolam-panjakana sy ny sekretera jeneralin’ny ministeran’ny fitantanam-bolam-panjakana. Toejavatra izay tsy nahafaly ny teknisiana sy ny mpiasa teo anivon’ireo biraom-panjakana ireo ka nahatonga azy ireo hitokona nandritra ny andro iray. Ireo mpiasam-panjakana ambony roa voatonona ireo dia noraisina ho toa ny vavolombelona tsotra ihany, raha araka ny fanazavan’ny zandary. Mbola mety hiitatra ny fanadihadiana momba ity raharaha ity, satria tambajotra ireo ao ambadikany, raha araka ny tsilian-tsofina heno.

D.R

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser