- Publicité -
samedi, mai 17, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha Air Mad : Nahazo L.P izy enin-dahy

Raharaha Air Mad : Nahazo L.P izy enin-dahy

Omaly no natolotra ny mpitsara mpanao famotorana ireo mpanamory dimy sy « mécanicien » iray izay isan’ny mpitolona teo anivon’ny kaompanim-pitaterana Air Madagascar. Tsy dia naharitra ela izany dia vita ary isan’ny tena nofantarin’ny mpitsara mpanao famotorana ny fanekena na fandavan’izyireo ny fiampangana azy. Raha araka ny fanazavan’ny Me Olala, dia tsy nisy nanaiky izany fiampangana izany izy ireo. Vita izany ny dingana ara-pitsarana voalohany ho an’ireto mpitolona izay manana sendika efa ho 40 ao aorinany. Mbola handalo fanadihadiana lalina izy ireo amin’ny fotoana izay mbola tsy voafetra ary izany dia alohan’ny fitsarana amin’izay.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser