- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha Ambohimahitsy : Nohadihadiana ny ray aman-drenin'ireo ankizy

Raharaha Ambohimahitsy : Nohadihadiana ny ray aman-drenin’ireo ankizy

Samy nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa na ny zandary na ny tompon’ilay fiara tsy mataho-dàlana omaly. Ny antony dia mazava loatra fa sarotra ny mifehy ny olona rehefa tezitra ary tsy maintsy nohazavaina ny tena fototry ny olona mba tsy hitatra amin’ny fitsaram-bahoaka. Voalohany ary dia nilaza ny tompon’ny fiara fa efa mpangalatra niverimberina tao an-tokotany feno kamiao ilay ankizilahy. « Efa tratra indray mandeha izy ary navotsotra satria nahavita nandresy lahatra ny laingany, toy ny hoe nisy baolina latsaka tao an-tokotany ka voatery nihanika tamboho izy. Andro vitsy taorian’io anefa dia nisy namaky indray ny fiara sasany ary nisy zavatra very. Voatery nasiana « caméra de surveillance » tao an-toerana mba handinihana izay mitranga. Ny alika rahateo, ireny « dog allemand » ireny, maty nisy nanapoizina. Tao anatin’izay fahamailoana izay no mbola niverina tao ihany ilay ankizy ary vosambotra », raha araka ny fanazavan’ny tompon-trano izay sady tompon’ny fiara. Nasaina nanondro ny namany ilay voasambotra. Nandritra ny fisamborana ireo roa hafa ireo no niseho ny olana, satria noheverina ho mpangala-jaza ilay tao anaty fiara tsara tarehy. Ny zandary indray, taorian’ny korontana niseho rehetra, dia nanamafy fa tsy nisy ny hala-jaza fa feo izay niely sy nohamafisin’ny facebook no nitarika ny olana. Omaly dia nohenoina avokoa ny ray aman-drenin’ireo ankizy telo. Raha ny fanamarinana natao dia isan’ireo zaza sahirana notezaina tetsy amin’ny Akamasoa ireo zaza. Etsy ankilan’izany, nanokafana fanadihadiana koa ny tompon’ny fiara noho fisamborana tsy ara-dalàna (tokony ho asan’ny mpitandro ny filaminana). Nifandimby nohenoina tao amin’ny tobin’ny zandary etsy Ankadilàlana ireo omaly.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici