- Publicité -
samedi, juillet 19, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha Ambohimalaza : Nisy mpanao facebook nenjehina

Raharaha Ambohimalaza : Nisy mpanao facebook nenjehina

Lasa raharaham-pirenena tanteraka ity tranga tetsy amin’ny Espace Valéria ity.

Niresadresaka ny fisian’ny « papa sôsy » teo amin’ny tambajotra sosialy. Izay no antony nanenjehan’ny fitsaràna azy. Midika izany fa tena manara-maso akaiky ny tambajotra sosialy ny tompon’andraikitra ambony. Etsy ankilany anefa, toa ny fizaram-baovao eo anivon’ny aterineto avokoa no tena manetsika ny tompon’andraikitry ny fanadihadiana sy ny mpanapa-kevitra amin’ity raharaha fahapozinana/fanapozinana ara-tsakafo ity. Ankehitriny dia manomboka mivoaka amin’ny fahanginana ny fianakavian’ireo manana ny maty ary ankoatra ny fitantaràna ny zava-nitranga dia naneho ny tsy fifaliany izy ireo momba ny tsy fahafantarana ilay karazam-poizina izay nahafaty ny olona. Io anefa dia notànan’ny fitsaràna ho tsiambaratelon’ny famotorana. Ny etsy amin’ny Hjra indray dia miandrandra fatratra ireo izay velon’aina saingy miady mafy amin’ny fahafatesana mba hisy fiantraikany amin’ny fitsaboana azy ireo ny fahafantarana ilay « singa mahery vaika tsy fahita anaty sakafo », araka ny fanononan’ny tompon’andraikitra ambony azy. Fa tena efa fantatra tokoa ve? Ny onjam-peo frantsay Rfi indray dia manamafy ny fanadihadiany fa tany amin’ny laboratoara tsy havanana amin’ny fitiliana poizina akory no nalefa ireo akora hita ho nahafaty ny olona. Io indray dia tsy nisy fanenjehana ara-pitsaràna toa ny raharaha « papa sôsy » izay nampiakatra fampanoavana omaly, saingy nanakorontana ny domy. Voatery nivoaka tamin’ny fahanginana ny tompon’andraikitra nanamarina sy nanamafy ny fisian’ny poizina saingy tsy nahafa-po ny havan’ny maty izany rehefa tsy nampahafantarina ny momba ilay poizina. Sarotiny ary manara-maso akaiky ity raharaha Ambohimalaza izay lasa raharaham-pirenena ny besinimaro.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici