Tena nandrasan’ny olona maro mihintsy ny vokatra ilay raharaha karan-dohan’olona hoe nisy nahita tao amina trano iray tao Ambolomadinika. Taorian’ny fiakaran’ny fitsarana ireo olona folo nanaovan’ny zandary fanadihadiana, isan’izany ilay tovovavy sy ny dadatoany, dia nalefan’ny fitsarana namonjy fodiana avokoa izy rehetra aloha, alohan’ny fitsarana ny raharaha izay mbola andrasana ny mpitsara mpamoaka didy ny daty mikasika izany.
Raha hiverenana aloha ny raharaha raha tonga teny amin’ny zandary sy ny fitsarana, dia tsy ilay resaka fahitana karan-dohan’olona intsony no voarakitry ny antontan-taratasin’ady, fa resaka fisolokiana sy fikendrena haka vola tsy ara-dalana amin’olona indray. Koa raha ilay tovovavy sy ny dadatoany no mpitory noho ny zavatra hitany, dia izy ireo indray no henjehan’ny fitsarana noho izany raha ny fanazavan’ny tonia mpampanoa lalana tamin’ny mpanao gazety. Milamindamin-dratsy izany ny raharaha izao na re aza fa hanao fanadihadiana lalina momba ity raharaha ity ny mpiaro ny zon’olombelona eo anivon’ny fiangonana katolika, satria zanaky ny fiangonana no mbola misy rohim-piahavanana amin’ny relijiozy, lohandohan’ny fiangonana ilay tovovavy mpitory lasa notoriana izao ity.
Fitsaràna. Ankoatra izay raha ny raharaham-pitsarana ihany dia ny alarobia 28 aogositra izao indray no hiverina hiakatra fitsarana ambony noho ny fampiakarana nataony tamin’ilay sazy 05 taona an-tranomazina azony tamin’ny fitsarana ambaratonga voalohany, ireo sinoa tao anatin’ny sambo Flying voalaza fa nanao trafika na andramena teto amintsika. Efa saika ny alarobia lasa teo no nanaovana ny fitsarana ambony azy ireo, fa noho resaka fandikan-teny sy mpandikan-teny no olana ka izao hahemotra ny alarobia ho avy izao indray. Ny alakamisy 29 aogositra kosa raha ny vaovao azo no hiakatra fitsarana eto Toamasina koa ny raharaha fikasana hamono an’i Ra-Ckiki telo taona lasa izay. Ho hita eo izay didim-pitsarana mety hivoaka eo…
Malala Didier