Vita omaly ny fanadihadian’ny zandary eo anivon’ny borigady Tanà-Ville, momba ny raharaha Andraisoro. Anio no hatolotra ny fampanoavana ary tsy maintsy handalo ny mpitsara mpanao famotorana ireo olona enina izay voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny famonoana. Tsy iza izany fa mpiasan’ny banky, izany hoe mpiara-miasa amin’ilay ramatoa izay novonoina, ary koa mpiara-miasa taminy teo aloha. Notsindrian’ny fianakaviana, omaly, fa mpitory izy ireo ary koa mpitory ny vadin’ny maty. Entin’izy ireo hanadisoana tanteraka ny vaovao izay niparitaka tato ho ato, fa natao fanadihadiana ilay raim-pianakaviana izay vadin’ny maty ary ny nisy aza ny nilaza fa nidoboka eny Tsiafahy izy kanefa tsy mbola nisy fanolorana ny dosie teny amin’ny fampanoavana akory. Izy no mpitory, notsindrian’ny fianakaviana ihany izany. Ankoatr’izay, fantatra fa nivoaka ny trano i Tsanta tamin’io marainan’ny asabotsy io ary handeha hanao fanatanjahantena ny antony. Nanao « volley » niaraka tamin’ny mpiara-miasa taminy izy, toy ny fanaony matetika ihany. Rehefa tonga ny hariva, tokony ho tamin’ny enina ora, dia mbola nifampiantso tamin’ny vadiny izy ary nilaza fa efa eny an-dàlana. Taorian’izay dia maty ny finday ary rehefa niha-alina ny andro dia nitebiteby tanteraka ny tao an-trano. Koa satria tsy fanaon’ilay ramatoa izany, dia mailo avy hatrany ny olona ka nitety ny hopitaly lehibe sao sanatria ka nisy nanjo an-dramatoa. Teny amin’ny sampana vonjy taitra rehetra dia tsy nahitana azy. Teo no nitombo ny ahiahy. Nivoaka vao maraina ny vadiny mba hijery azy eran’ny tanàna ary akory ny hagagany raha nahita olona nitangorona teo Andraisoro, ny marainan’ny alahady : ny vadiny no hita faty. Nisy dian-dratra maro ny vatany. Mazava hoazy, fa novonoina ity ramatoa ity vao nahantona tamin’ny tady ny tendany. Inona no antony ? Mihodidina eo indrindra ny valim-panontaniana handrasana ankehitriny.
D.R