- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha Andraisoro : Nidoboka eny Tsiafahy ny vadin’ny maty

Raharaha Andraisoro : Nidoboka eny Tsiafahy ny vadin’ny maty

Alina mihitsy vao nivoaka ny didy famonjàna omaly. (Sary tahiry)

Olona roa nidoboka am-ponja rehefa voarohirohy ho tompon’antoka mivantana tamin’ny famonoana an’i Tsanta Andriantsoavina. Ny iray dia ny vadiny ary ny faharoa kosa dia olona iray izay voalaza fa nanatitra azy farany tamin’ny fiara. Izany hoe taorian’ny fanatanjahan-tena volley-ball izay nataony tamin’io tontolo andron’ny asabotsy io. Nahatalanjona ny maro ihany ny zava-nitranga satria vao afak’omaly no nandeha tamin’ny onjam-peo ny vadin’ny maty ary naneho ny alahelony ampahibemaso mahakasika ny vaovao diso tamin’ny haino aman-jery. Izany dia mahakasika ny hoe nidoboka am-ponja eny Tsiafahy izy na koa hoe nanaovana fanadihadiana ny tenany. Nohamarinin’ny zandary fa izy tokoa no mpitory ao anatin’ity raharaha ity. Tany amin’ny fanadihadiana, izay notanan’ny tompon’andraikitra ho tsiambaratelo mazava ho azy, anefa dia nisy fitsimbadihana ny raharaha. Ahiana mafy ny nisy nidirany tao anatin’ilay heloka bevava izany. Toraka izay koa ilay lehilahy iray izay mpiasan’ny banky ary mpiara-miasa amin’ilay ramatoa fony fahavelony. Ny ambiny kosa, izay mbola mpiasan’ny banky hatrany ny maro dia nahazo fahafahana vonjimaika. Ireo indray dia ireo olona izay na niara-nilalao volley taminy tamin’io asabotsy io na koa niserasera taminy faramparany.  Raha tsiahivina dia tsy nisy very na ny kely aza ny entan’i Tsanta tamin’izy hita faty tetsy Andraisoro. Tao anaty kitapony avokoa na ny findainy, na ny fitoeram-bola izay tsy nisy nihetsika na ny kely aza ny vola tao anatiny ary koa akanjo fanaovany fanatanjahan-tena. Izany dia mety manaporofo avy hatrany fa tsy asan-jiolahy no nitranga. Manaraka izay, feno ratra ny tenany ary indrindra teo amin’ny lohany. Raha adika tsotsotra izany dia mipetraka kokoa ny eritreritra ny hoe novonoina izy vao nahatona. Io fanantonana io dia mety noeritreretin’ny mpamono mba hanakonana ny heloka bevava ka ilazàna fa namono tena izy. Saingy tsy izay velively. Na ny tendany aza dia mbola nahitàna dian-kenda raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpanao famotorana. Naharitra adim-pamataranandro maromaro ny fihainoana tao amin’ny mpitsara mpanao famotorana satria heloka bevava no resahina. Manodidina ny tamin’ny valo ora alina vao nivoaka ny didy famonjàna vonjimaika tao Anosy.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici