- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha Andraisoro : Olona enina voatazona, misy mpiasan’ny banky

Raharaha Andraisoro : Olona enina voatazona, misy mpiasan’ny banky

Mihazakazaka ny fanadihadiana izay tontosain’ny zandary momba ilay raharaha vonoan’olona tetsy Andraisoro. Olona enina no efa vita fanadihadiana tao ary raha ny tokony ho izy dia anio, raha araka ny fanazavana avy amin’ny zandarimaria, no hiakatra fampanoavana ny raharaha. Ireo olona ireo dia mpiasan’ny banky no betsaka aminy. Izany hoe mpiara-miasa akaiky tamin’ilay ramatoa izay novonoina ary misy koa ny mpiara-miasa taminy teo aloha saingy efa niala tao amin’ilay orinasa. Inona ary izany no mety hifandraisan’ilay vonoan’olona amin’ny mpiara-miasa ? Eo indrindra no isan’ny tena handehanan’ny fanadihadiana etsy Betongolo nandritra ny andro maromaro izay. Koa satria mbola tazomin’ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana avokoa izany dia mandeha ny feo fa mety misy zavatra fantatr’ilay ramatoa ka mety manafintohina ny sasany. Mazava ho azy fa vola no kirakiraina eo anivon’ny banky ary ahiana mafy araka izany fa mety misy fanodinkodinana mety fantatra ka nitarika hatramin’ny famonoana ho faty. Tombana avokoa izany mandra-pivoakan’ny fanadihadiana izay inoana fa hampahafantarin’ny zandary amin’ny ampahany atsy ho atsy. Ny vadin’ny maty ary koa ny fianakaviany no nametraka fitoriana momba ity raharaha ity. Niara-nanokatra fanadihadiana ny zandary sy ny polisy saingy nisy ny fifanarahana, mba tsy hivakian’ny fanadihadiana be loatra, dia nankinina tamin’ny vondrona iray ihany izany dia ny zandary. Isan’ny nohenoina koa ny fianakaviana tamin’ity raharaha ity. Izany dia noho ny fitoriana izay napetrak’izy ireo. Koa satria notontosaina omaly ny fandevenana dia somary niato kely ny fanadihadiana rehetra ary nitohy avy hatrany raha vao vita izany. Mitàna ny sain’ny maro ity tranga ity noho ny habibiana tsy roa aman-tany nahazo ilay renim-pianakaviana izay manan-janaka roa. Niteraka horohoro koa satria azo heverina fa olona efa tsy manam-panahy intsony no mahavita mamono izany dia avy eo ahantona amin’ny tenda. Raha tsiahivina dia ny marainan’ny alatsinainy teo no hitan’ny olona nihantona teo amin’ny tetezana ny ramatoa iray 29 taona. Ny akanjony ihany no nanantonana ny tendany ary nikirozaroza ny vatany. Mbola teny am-babeny ny kitapony ary tsy nisy niala ny akanjony. Arahin’ny maro maso akaiky ity raharaha heloka bevava ity.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici