- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha Andry 44 : Raikitra ny hazalambo any avaratra

Raharaha Andry 44 : Raikitra ny hazalambo any avaratra

Nidina any amin’ny faritra avaratra izay tsy hotononina anarana eto ny pôlisy misahana ny fanadihadiana ny fahafatesan’ilay mpandraharaha Andry Rakotovao. Izany dia noho ny fahenoan’izy ireo fa hita nivezivezy tany an-toerana i Bary Dominique izay hatreto aloha dia tompon’antoka tamin’ny famonoana azy tamin’ny fomba feno habibiana ny 29 janoary lasa teo. Midika izany fahitàna an’i Bary tany avaratra izany fa tena nivezivezy be izy amin’ny fiafenana ireo mpitandro ny filaminana. Mahatalanjona ihany izany, satria mila vola izany rehetra izany. Ny sakafo, ny saran-dàlana na ny lasantsy raha toa izy ka nitondra fiara ary koa ny enti-manana rehetra amin’ny fiafenana isak’izay mandeha. Raha ny fantatra anefa, tsy dia nisy volabe firy very nandritr’ilay famonoana. Nahatonga ny maro nieritreritra avy hatrany fa misy mamatsy vola izy ao anatin’izao raharaha izao. Miankina betsaka amin’ny fahatratrarana an’i Bary ny fitohizan’ny fanadihadiana ho lasa lalindalina kokoa, ka hahafahana mamantatra izay mety ambadik’ity heloka bevava ity. Mpanefoefo ary mamim-bahoaka i Andry 44, nitomany ny famonoana azy i Moramanga. Efa nanomboka nanoritra ny làlana pôlitika ihany koa izy ary nisy ny olona notohanany tao anatin’izany, na izany tao anatin’ny antoko noforoniny na ivelany. Mandeha ihany koa ny feo ankehitriny fa mety ho ambadika pôlitika ity raharaha heloka bevava iray ity. Saingy mbola mijanona ho tombatombana avokoa aloha izany rehetra izany mandram-pahazo an’i Bary izay efa atao hazalambo any avaratra any amin’izao fotoana izao.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser