- Publicité -
samedi, juin 21, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha Andry44 : Karohina ao Antalaha i Bary

Raharaha Andry44 : Karohina ao Antalaha i Bary

Herinandro faharoa izao ny fikarohan’ny pôlisy an’i Bary Dominique ao  Antalaha, ilay voarohirohy voalohany ho tompon’antoka tamin’ny famonoana an’i Andry Rakotovao. Mbola nandamoka aloha izany hatreto ary mampanontany tena ny maro aza raha tena nitombina ny loharanom-baovaon’ny pôlisy, na koa fandrebirebena fotsiny. Matetika mantsy tsy mihetsika izany ny pôlisy avy eto an-drenivohitra raha tsy mitombina tsara ny vaovao. Mahakasika ity raharaha ity ihany, dia fantatra koa izao fa niova ny tomponandraikitra voalohan’ny fanadihadiana. Marobe ny fanontaniana mipetraka izay mbola tsy voavaly ankehitriny. Raha efa fantatra mantsy ny mpamono, izay mbola karohina hatramin’izao, dia tsy mbola hita soritra kosa ny mahakasika izay mety ho atidoha nikotrika. Fantatra ankehitriny fa nisy olona eo anivon’ny fianakaviana izay tsy hita izay nanjavonany hatramin’izao, taoriana kelin’ilay vono olona. Tsy tsoahin’ny mpanao fanadihadiana ao anatin’ny mety ho anton’ny famonoana ny resaka pôlitika, ny mety ho ady lova ary koa izay mety ho resa-pitiavana. Ny zavamisy,  matoa mbola mahavita nitsoaka lavitra i Bary Dominique sy Emile Randrianarimalala, dia mbola ampy ny enti-manana eny am-pelan-tànan’izy ireo. Dikany, misy mamatsy vola…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser