- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha Andry44 : Voasambotra i Bary Dominique

Raharaha Andry44 : Voasambotra i Bary Dominique

bary-(2)Hanomboka eto ny tena asan’ny mpanao fanadihadiana izay vao niova tsy ela  ny mpitarika an’izany. Hanokatra làlana marobe ny fahazoana an’ity voarohirohy voalohany ho tompon’antoka tamin’ny famonoana ity.

Tapitra hatreto ny fangalapierin’i Bary Dominique sy ny pôlisy izay nikaroka azy. Voasambotra tao Maroantsetra ny tenany, ny alatsinainy alina teo, rehefa nifanenjehana tany amin’ny faritra Avaratra nandritra ny roa herinandro maninjitra. Tany Antalaha, Mananara-avaratra no tena nandehanan’ireo mpanao fanadihadiana. Saingy tany an-toerana dia voamarina fa niova toerana hatrany i Bary Dominique. Ny niafarany dia io sarona tao Maroantsetra io. Omaly maraina ny tenany no nentina niakatra tamin’ny fiaramanidina taty Andrenivohitra ka ny pôlisy teo anivon’ny SAG no niandraikitra ny fangalàna azy tany an-toerana sy ny fanaterana azy teny anivon’ny pôlisy mpanao fanadihadiana momba ny heloka bevava, tetsy amin’ny biraon’ireo etsy Anosy. Izany rehetra izany dia mba ho fiarovana ny ainy, satria miankina betsaka amin’izay ny hamantarana izay tena atidoha nikotrika ny famonoana an’i Andry Rakotovao. Manomboka eto izany ny tena asa ho an’ny mpanao fanadihadiana. Raha tsiahivina dia nanomboka ny marainan’ny 30 janoary ny fikarohana an’i Bary Dominique. Niainga tao Moramanga izany. Nitohy teto Andrenivohitra ny  an-kiafina ary nizotra tamin’ny RN1, iny Alakamisy-Fenoarivo iny, toerana izay nahitana ilay fiara 4X4 marika Finder mitondra ny laharana 2144 TBD. Nikasa ny hivarotra io fiara io teto Andrenivohitra iI Bary, saingy tsy lafony mihitsy. Teo no nidiran’i Nary an-tsehatra. Ito farany, niaraka tamin’ny vadiny dia voarohirohy ho niray tsikombakomba tamin’ny famarotana ilay fiara. Nandamoka avokoa moa izany, ka ireo mpivady dia nidoboka ao amin’ny fonjan’i Moramanga, rehefa avy nitolo-batana teny amin’ny mpitandro ny filaminana. Inona ny antony namonoana an’i Andry Rakotovao? Mpanefoefo izy fahavelony ary tsy manana zanaka mpandova. Isan’ny nanohana ny fitsanganan’ity fitondrana ity ihany koa izy, raha amin’ny lafiny pôlitika. Afaka miitatra lavitra arak’izany ny fanadihadiana ary andrandrain’ny maro rahateo ny mba hivalian’izany. Iza no namatsy vola an’i Bary Dominique? Amin’ity raharaha ity dia mbola misy an’i Emile Randrianarimalala koa izany karohina. Arahina hatrany ny fivoaran’ny raharaha.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser