- Publicité -
lundi, juillet 14, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha « Arnaud » sy « Annie » : Efa navotsotra ireo...

Raharaha « Arnaud » sy « Annie » : Efa navotsotra ireo olona efatra nosamborina tao Moramanga…

Tena miasa, raha ny zava-misy, ireo “cellule” natsangana manokana noho ity resaka fakana an-keriny an’i Arnaud sy Annie ity. Efa maro izay fisamborana sy fisavana trano nitranga tao Toamasina sy ny manodidina azy izay, fa hatramin’izao mbola tsy hita ireo ankizy nisy naka an-keriny ireo, izay tsy fantatra ihany koa ny fahasalamany amin’izao efa fahafenoana iray volana nanjavonany izao. Araka ny angom-baovao izao dia nisy olona efatra, lehilahy telo ary vehivavy iray, nosamborina teo am-pisakafoanana tao Moramanga. Raha nandeha anefa ny fanadihadiana natao tamin’izy ireo , rehefa nentina tao Toamasina teo anivon’ny « cellule » mpanao fanadiadiana, dia « tsy misy ifandraisan’izy ireo tamin’ity raharaha fakana an-keriny ity », ka voatery navotsotra. Efa nisy tranga maromaro toy izany koa tao Toamasina, nefa raha atao ny fisavana trano sy fanadihadiana azy ireo dia nohafahana avokoa izy ireo. Hatreto izany dia miisa 10 ireo tena nohazonina naharitra noho izy ireo mifaningotra tanteraka amin’ity raharaha na fakana an-keriny ity. Ny tena olana ihany koa amin’ity raharaha Arnaud sy Annie ity, dia miditra lalina amin’ny fanomezam-baovao amin’ireo olona tokony hosamborina sy hohadihadiana ny rain’ireo ankizy tsy hita ireo. Hatreto anefa dia ireo adverserany amin’ny resaka « bizina » avokoa no voatondro sy voatonontonona, ka lasa mampisalasala ny fianakavian’ireo tratra sy anaovan’ny mpitandro filaminana bemidina. Toa tsy misy « lanjany » ireo vaovao omen’ireo mpitandro ny filaminana mba tena hanamorana ny fahitana azy ireo amin’izao ankatoky ny fetin’ny krismasy sy taom-baovao izao.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici