- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversRaharaha BANI : Nosakanan’ny lehiben’ny RFI ny fampidirana am-ponja

Raharaha BANI : Nosakanan’ny lehiben’ny RFI ny fampidirana am-ponja

Tsy nisy nanam-po izay mety ho zava-nitranga ny rehetra. Nivoaka ny didin’ny fampanoavana omaly efa alinalina ary mahakasika ny fampidirana am-ponja vonjimaika ny miaramila fito teny Tsiafahy izany. Tsy neken’ny lehiben’ny toby (chef de corps) RFI izany ary nihaona mivantana tamin’ny mpitsara izy, dia nifampiraharaha ny amin’ny tsy handefasana ireo miaramila ireo any Tsiafahy. Raha ny fantatra dia 16 no isan’ireo miaramila tokony ho naiditra am-ponja momba ity raharaha ity. Nanaiky ny mpitsara ny amin’ny hitazonana ireo miaramila fito any anaty toby, raha araka ny vaovao azo. Ao amin’ny tobin’ny RFI no voalaza fa hitazonana azy ireo. Ny miaramila eo anivon’io toby io izany no miantoka ny fiambenana ireo voakasiky ny raharaha. Tsy vita teo no ho eo anefa izany fanapahan-kevitra izany, satria raha ny fantatra dia mbola nisy fivoriana nandeha omaly alina teo anivon’ny mpitandro ny filaminana. Raha ny vaovao azonay farany dia nalefa eny Antanimora avokoa ny roapolo tamin’ireo voarohirohy. Telo ny anton’ny fiampangana ireo miaramila dia ny fikambanana amin’ny asan-jiolahy, ny fangalarana bala miisa 4000. Mbola hafa kosa ny amin’ny fiampangana ara-miaramila izay ny eo anivon’io vondrona io ihany no mametraka izany. Mampahatsiahy avy hatrany ny nataon’ny vondrona iray eo anivon’ny pôlisy tamin’ny fotoan’androny ity tranga ity. Tsy nanaiky ny fampidirana am-ponja ireo namany ireo pôlisy ary namoaka basy teo ivelan’ny fitsarana. Ny fisehony fotsiny no samihafa kely tamin’ity tranga omaly ity. Hatraiza ny fampiharana ny didim-pitsarana eto amintsika? Manaiky ny zava-misy ve ny fitondrana vao napetraka? Mipetraka ny fanontaniana…

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser