- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha Befandriana Avaratra : Olona dimy tamin’ireo 31 voarohirohy no nadoboka am-ponja

Raharaha Befandriana Avaratra : Olona dimy tamin’ireo 31 voarohirohy no nadoboka am-ponja

Tsara ambina tanteraka ny tribonaly tao Antsohihy, ny talata lasa teo, nandritra ny fanolorana ireo olona 31 voarohirohy tamin’ny famonoana pôlisy roalahy tany Antsakabary, Befandriana Avaratra teo anivon’ny Fampanoavana. Naharitra ora maromaro ny fihainoan’ireo mpitsara mpanao famotorana azy ireo, ary tsy nisy fanampahan-kevitra noraisina raha tany amin’ny misasakalina tany. Fantatra ary fa dimy tamin’ireto olona ireto no naiditra am-ponja vonjimaika, raha nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny ambiny. Vesatra maromaro no anenjahana azy ireo, toy ny famonoana olona niniana natao, ny fikomiana ary ny fanimbana fananam-panjakana. Ity farany dia mahakasika ireo basy, nesorin’ireo andian’olona teny am-balahan’ireo pôlisy roa novonoina, nosimbaina ary natsipy tanaty kirihatra. Ao anatin’ireto olona notanana am-ponja, araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia ahitàna mpampianatra sy sefo fokontany, izay ahiana fatratra ho nandray anjara nivantana tamin’ilay famonoana. Nadoboka ao amin’ny fonjan’Antsohihy izy ireo, mandra-piandry ny fotoam-pitsaràna, izay mbola tsy fantatra hatreto. Fa tetsy andanin’izay kosa, mahakasika ireo doro trano an-jatony maro tao Antsakabary, izay voalaza fa nataon’ireo andiana pôlisy hanao fanadihadiana sy hisambotra izay nahavanon-doza tamin’ny famonoana ireo namany dia fantatra fa nisy ny fananganana vaomiera manokana, hisahana ny fanadihadiana. Vaomiera izay fantatra fa hiarahan’ireo tompon’andraikitry filaminana, roa lafy : ny zandary sy ny pôlisy, misalahy, ahafantarana marina izay tena zavatra niseho. Nampisy resabe tokoa ity tranga iray tany Befandriana Avaratra ity, satria dia heverin’ny maro fa misy mizàna tsindrian’ila ao. Raha atao ny fanadihadiana mahakasika ireto andian’olona namono nahafaty pôlisy ireto dia tokony hisy ihany koa ny famotoran’ireo mpitandro filaminana izay nambara fa nandoro trano an-jatony tato aoriana. Ary tsiahivina fa nisy aina nafoy tao anatin’izay doro trano niniana natao izany. Tsy tokony hohadinoina ihany koa etsy andanin’izay, ny antony nanosika ireto fokonolona hampihatra ny hatezerany, izay voalaza fa noho ny resaka fangalàna vola tsy ara-drariny tamin’izy ireo. Fa na izany na tsy izany dia samy nisy aina nafoy tao, na ny andaniny na ny ankilany, ka inoana fa hitady ny marina an-tsakany sy andavany sy am-pamendrehana na ireo mpanao fanadihadiana na ny eo anivon’ny fitsaràna.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici