Nahitana vokany ny hetsika nataon’ny mpitandro filaminana taorian’ny nanafihan’ny dahalo ny tsena sy ny tobin’ny zandary tany Befotaka, herinandro vitsy lasa izay. Fantatra amin’izao fotoana izoa fa tafaverina amin’ny zandary ny basy PA roa very tamin’io fanafihana io. Etsy an-daniny, nisy dahalo fito koa voasambotry ny mpitandro filaminana. Ary tsy hijanona eo akory ny hetsika fa hitohy hatrany, araka ny loharanom-baovao. Efa any an-toerana rahateo ny andiana mpitandro filaminana tonga manatevina ny any an-toerana. Fampahatsiahivina fohy, tonga nandroba ny tsenan’i Befotaka ny dahalo voalaza fa miisa hatrany amin’ny 100. Tao an-tanàna tamin’izany, zandary niandry raharaha efatra. Mbola nizara roa izy ireo, ka ny antsasany nandeha tany an-tsena hanampy ny olona. Ireo roa hafo koa niandry ny toby. Tsy naharesy tosika ireo teny an-tsena ka niala. Rehefa tonga nanafika ny toby ireo andian’olon-dratsy, resy ihany koa ny tao ary nandositra. Izany zavatra izany no nohararaotin’ny jiolahy nangalarany ny basy sy ny fitaovana maro tao an-toby.
r.s.