Niakatra fampanoavana omaly ny raharaha Besakay nahafatesana zandary tany Amparibolana Mandanivatsy, kaominina Besakay, ka nampidirana olona miisa 19 omaly. Olona iray no any amin’ny hopitaly ka tsy afaka naiditra am-ponja. Naharitra iray andro ny fihainoana ireo olona 20 voarohirohy ka izao niafara tamin’ny fampidirana am-ponja izao. Notazonina vonjimaika any amin’ny fonjan’Ambatondrazaka ireo olona 19 ireo. Amin’ny 14 marsa ho avy izao ny fiatrehan’izy ireo ny famotorana laliny aton’ny mpitsara zokiolona. Voampanga ho nanao fikambanan-jiolahy, namono olona, nitazona fanafody gasy ary fanaparitahana vavao tsy marina izy ireo. Raha tsiahivina, ireo olona 20 ireo izay nosamborina noho ny fandraisana anjara mivantana na tsy mivantana tamin’ny famonoana ilay zanday tany Besakay. Ny telo tamin’ireo izay voampanga amin’ny fanimbana ala. Ny 20 janoary lasa teo no nitrangan’ity toe-javatra mampalahelo ity. Voalaza fa mbola misy amin’ireo olona monina any Mandanivatsy no tsy mbola sahy miverina any amin’ny tanànany noho ity tranga ity. Manahy sao mbola misy ny fisamboana sns.
Yv Sam