Nandeha hatramin’ny alim-be ny zoma teo ny fihainoana ireo rehetra voakasiky ny raharaha Boeing 777. Ny marainan’ny asabotsy vao nivoaka ny fanapahan-kevitry ny mpitsara eo anivon’ny PAC. Nidoboka am-ponja vonjimaika avokoa ireo olona 22 isa ka ny 9 eny amin’ny fonjan’Avaradrano, ny 11 eny Antanimora, ny 2 eny Tsiafahy ary ny 1 izay vavy antitra dia eny Manjakandriana. Isan’ny notànana am-ponja vonjimaika koa ny Tale Jeneralin’ny ACM amin’ity raharaha ity. Ny Minisitry ny fitaterana teo aloha kosa dia nanazava ny PAC fa tsy maintsy ny Haute Cour de Justice (HCJ) no miandraikitra ny fakàna am-bavany sy ny fitsaràna azy noho izy izay mbola teo am-perinasa tamin’ny nitrangàn’ny raharaha. Raha vita araka izany ny andininy voalohany amin’ity fanenjehana ara-pitsaràna ity dia mitodika eny amin’ny HCJ indray izay ny mason’ny mpanara-baovao ankehitriny, fitsaràna izay natokana hikirakira ny raharaha mahakasika ny mpitondra firenena ary nisy hatramin’ny 2018. Raha tsiahivina dia ny filoham-pirenena, ny filohan’ny andrim-panjakana, ny praiministra ary ny mpikamban’ny governemanta ihany no azon’ny HCJ tsaraina. Izany dia araka ny andininy faha-133 amin’ny fehezan-dalàna mifehy io rafi-pitsaràna io. Ho an’ireo nidoboka am-ponja izany dia miandry ny fanadihadiana lalina izy ireo ary ho an’ny HCJ kosa dia ny fihainoana ny olona voakasika no tokony hiainga atsy ho atsy.
D.R
Mba lazao hoe iza no Pdt HCJ ao? Bande de Picsou 2009! Dia mbola hisy ho hantenaina ihany ve? Nisy ny “JURISPRUDENCE ROLLY” izay nampidirina am-ponja nefa izy Minisitra am-perinasa. Dia midika izany fa azo hampidirina am-ponja I Valerie. Sao matahotra hisy élimination physique any. Tsy handino fa “système MAFFIA” no nisy anao.