Ny talata 03 septambra teo no nivoaka tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, ny didy milaza ilay raharaha fanaovana kolikoly 85 tapitrisa ariary ny “Box Miami”. Nisy ny fifanarahana teo amin’ireto mpiasan’ny kaominina sy ilay olona te-ahazo “Box” tao Miami, araka ny antontan-taratasim-pitsarana. Nandritra ity fivoahan’ny didy ity no nivoaka, fa fahafahana am-pisalasalana no azon’ilay pasitera Rakotonandrasana David voaroiroy tao anatin’izay, izay mihazona ny lefitra fahatelon’ny ben’ny Tanana. Ho an’Atoa Fanantenana James Mathias talen’ny toerana maintson’ny kaominina dia sazy miantona enim-bolana no azony teo anivon’ny fitsarana. Ny 22 aogositra teo ny fotoam-pitsarana ny raharaha saingy ny 03 septambra lasa teo ny fivoahan’ny didy, ka nandritra ity fitsarana ity dia samy nanazavana ny zava-nisy avokoa izy roa lahy voaroiroy. Nilaza ilay tale fa hirakan’ny ben’ny Tanana fahatelo ny tenany naka ilay vola tamin’ilay olona nikendrena; ka raha azo ny vola dia nomeny ny ben’ny Tanana lefitra fahatelo ary kadoa no nomeny azy taorian’izany. taty aoriana anefa raha nozaraina ilay “Box Miami” dia tsy nahazo ilay niriany ilay olona nefa efa nandoa vola be, ka nahatonga azy nitory fa voasoloky. Tsy afa-po ny mpitory, ny vahoakan’ny Toamasina koa mahita, fa fanomezana vahana ireo mpanao kolikoly eo anivon’ny kaominina izao tranga izao; ka aza gaga isika raha atsy ho atsy dia ho maro ireo ho voan’izany avy amin’ny kaominin’i Toamasina.
Malala Didier