- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha Carion : Fanambanana basy mpanao gazety, nahazo fahafahana vonjy maika ny...

Raharaha Carion : Fanambanana basy mpanao gazety, nahazo fahafahana vonjy maika ny roa tonta

Omaly no niakatra teny amin’ny Fampanohavana teny Anosy ilay raharaha niseho teny amin’ny faritry Carion nanambanana basy mpanao gazety iray. Samy nahazo fahafahana vonjy maika ny roa tonta ary amin’ny faha-6 aprily ho avy izao ny fotoam-pitsarana. Marihina fa samy tsy nanaiky ho diso ny andaniny sy ny ankilany. Fifampisongonana tamin’ny fiara nentin’izy ireo no niantombohan’ny ady. Nisy ny fanompana avy amin’ny fanairana nataon’ilay nanambana basy ary izany no fantatra fa tsy zakan’ilay mpanao gazety. Avy hatrany dia nisy ny fifamaliana, famelezana totohondry sy fampitahorana narahana fanambanana basy . Rehefa vita ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana, fantatra fa nogiazana aloha ilay basy. Tonga nanotrona sy nanaraka ity raharaha ity teny an-toerana avokoa moa ny mpanao gazety rehetra ka andrasana eto indray ny tohiny.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici