“Vao niandoha ny fitrandrahana vato ‘cristal’ nataonay ka nikasa hamoaka izay azo izahay dia efa nisy ny tsindrihazolena. Isan’izany ny hoe raha tsy manaiky hifampisasaka aminy amin’ny vokatra izahay dia tsy homeny alàlana ny fivoahan’ny vato ao amin’ny toeram-pitrandrahana”, raha araka ny fanazavan-dRamatoa Raheliarisoa Blandine, tompon’ny vato. Tsy iza fa ny lehiben’ny faritra Bongolava no notondroiny ho tompon’antoka tamin’izany fanamparam-pahefana izany. Nihaona tamin’ny mpanao gazety ilay ramatoa tompon’ny vato, omaly, mba hanairany ny manam-pahefana rehetra ao amin’ny faritr’i Bongolava mba tsy hanaiky ny hataon’ilay lehiben’ny faritra ho fitaovana intsony. “Tamin’ny 11 jiona lasa teo dia nisy vato milanja enina taonina nangalarin’ireo tambajotra. Tratra teo Ampanotokana Mahitsy ny entana ary nogiazana sy nanokafana fanadihadiana. Na dia efa voaporofo aza fa anay ny vato dia tsy mba naverina taminay mihitsy izany”, raha araka ny loharanom-baovao mitovy. Notohizany fa ny 11 aogositra teo indray dia mbola nisy vato nilanja 12 taonina koa nosakanan’ny zandary tao Miarinarivo ary nambara fa tsy maintsy hogiazan’ny “police des mines”. Tsy mba nisy akory ny “procédure” rehetra natao mifanandrify amin’izany. Nanohy hatrany ilay ramatoa fa ny asabotsy 5 septambra dia nanjavona ireo vato rehetra (6+12 taonina). Nisy ny fitoriana napetraka kanefa tsy mba nisy tohiny mihitsy izany. “Nitohy hatrany ny raharaha ka ny 7 novambra teo dia nanao ny fomba ratsiny hatrany ny lehiben’ny faritra Bongolava. Manamboninahitra tsara sitra-po no nanampy tamin’ny fiarovana anay, nanoloana ny zava-nitranga”, hoy hatrany ny fanazavan’ny mpisolovava, Mr Olala. “Tsy mandà ny fanadihadiana rehetra izay mety hatao aminay akory izahay fa manaitra ny sain’ny mpitondra fanjakàna kosa mba hijery akaiky ity halatra miharo fanamparam-pahefana ity”, hoy izy namarana ny teniny.
D.R