- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha CVO Toamasina : Sazy am-ponja telo volana sazy mihantona no azon’ireo 11...

Raharaha CVO Toamasina : Sazy am-ponja telo volana sazy mihantona no azon’ireo 11 voarohirohy

Omaly 01 jolay raha ny tapaka teo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, no niakatra fitsarana ireo 11 mianadahy voarohirohy tamin’ilay resaka Covid-Organic nambara fa hosoka namidin’izy ireo tao Bazary be Toamasina. Voalaza moa tamin’ny fanombohan’ny fitsarana fa sandoka ireto CVO namidin’izy ireo ireto, izay namidy 7.000 ariary na 8.000 ariary izany, izay latsaky ny 12.000 ariary famarotan’ny IMRA azy. Raha ny nambaran’ny mpisolovava ny IMRA, nisolo tena azy ireo teo anivon’ny fitsarana, satria tsy nahazo alalana tamin’ny CCO ny hiatrika izany ireo tompon’andraikitry ny IMRA ka tsy tonga niatrika izany fitsarana izany omaly, dia fantatra fa « sachet « alluminium » mifampitohy no tena izy amin’ity CVO ara-pianakaviana avoakan’izy ireo ity. Hafa noho izay no hita tamin’ireto mpivarotra teto Toamasina tratra ireto. Nilaza koa ny mpisolovava ny IMRA teto Toamasina fa tratran’ny ramatahora ara-batana, ary misy sakantsakana ireo mpiasan’ny IMRA momba ity raharaha ity, ka izay no nahatonga azy ireo nangataka onitra 50 tapitrisa ariary ho fanonerana ny ainy sy ny CVO hosoka ataon’ireto mpivarotra tratra ireto. Tao anatin’ny adiny iray sy sasany nifandaharana mikasika izany CVO hosoka izany, dia nivoaka ny didin’ny fitsarana raha nisintona nandritra ny 15min nandinihana izany izy ireo. Raha ny ara-keloka dia novana ho fivarotana « remède traditionnelle améliorée » ny teo aloha tamin’ny fanenjehen’ny fampanoavana, ka nahatonga azy 11 minadahy ho meloka eo anivon’ny fitsarana. Vokany ! Voasazy 03 volana am-ponja sazy mihantona izy rehetra, ary tsy maintsy mandoa tsirairay avy lamandy 02 tapitrisa ariary ihany koa amin’ny fanjakana, ary mandoa onitra amin’ny IMRA mitentina 2.076.000 ariary izay itambaran’izy rehetra. Ankoatra izay ny fanagiazana ny entana tratra tamin’izao raharaha izao amin’ny maha-hosoka sy tsy ara-dalàna azy ireo, hoy ny fitsarana nisahana ny raharaha.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici