- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha Depiote Nina : Miandry sonian'ny minisitra vao entina Fampanoavana

Raharaha Depiote Nina : Miandry sonian’ny minisitra vao entina Fampanoavana

Omaly no natolotra ny Fampanoavana, ireo mpitandro ny filaminana  efatra eo anivon’ny pôlisy, izay notorian’ny solombavambahoaka Nina. Fanamparam-pahefana, halatra, herisetra. Ireo raha hiverenana kely ny anton’ny fitorian’ity olom-boafidy ity izay niantefa tamin’ny pôlisy izay nidina an-tsehatra tao an-tranony tamin’ny tapaky ny volana septambra teo. Nizara roa moa ny fanazavana teo ary nitarika raharaham-pitsarana mihitsy. Samy niaro ny olony ny roa tonta ary raha nilaza ny avy eo anivon’ny pôlisy fa nanao ny asany fotsiny ihany izy ireo tamin’ny alàlan’ny fisamborana mpanakorontana, ny avy amin’ny ankilany kosa dia nilaza fa halatra, fanamparam-pahefana ary fikasihan-tànana tsy tamin’antony no niseho. Nahazo fahafahana noho ny fisalasalana ireo taizan’ny Depiote Nina. Io farany izay nitory ihany koa ka nahatonga ny fanadihadiana izay nosokafan’ny pôlisy miandraikitra ny raharaha mahakasika ny pôlisy. Omaly no natao ny fanolorana ny olona teo anivon’ny Fampanoavana, saingy noho ny fangatahan’ny lehiben’ny sampana misy ireo pôlisy efatra ny amin’ny hanajana ny pitson’ady ara-pitsarana, dia voatery nahemotra izany. Mila ny taratasy ahafahana manenjika (ordre de poursuite) voasonian’ny minisitry ny filaminana anatiny izay vao azo atao ny fanadihadiana ara-pitsarana ireo pôlisy.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici