- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha Depiote Ninà : Naiditra am-ponja ny zandriny, ny telo nahazo fahafahana...

Raharaha Depiote Ninà : Naiditra am-ponja ny zandriny, ny telo nahazo fahafahana vonjimaika

Omaly antoandro tokony tamin’ny 1 ora sasany teo no nanomboka ny fitsarana ireto 4 mianadahy voampanga tamin’ny fandratrana sy fanendahana polisy mivady. Tao amin’ny efitrano voalohany  teny amin’ny fitsarana moa izy ireto no notsaraina.Ny 27 Septambra izao ny daty voalaza fa hivoahan’ny didim-pitsarana. Nahazo fahafahana vonjimaika ny telo mianadahy , saingy mbola notazonina vonjimaika any am-ponja  kosa ny iray izay nampangaina tamin’ny fanendahana ny paoketrana vadina polisy  nisy ny vola voalaza fa mitentina 3 tapitrisa Ariary niaraka amin’ny finday.  Marihina moa fa efatra  ireto mpitory ka tao anatin’izany ny vadin’ity polisy ity; izay tsy nanaiky fa nitaky onitra 3 tapitrisa Ariary  niaraka amin’ ny vidin’ilay finday 60000Ariary, Teo ihany koa ny mpitory roa izay naka onitra 4 etsy Ariary. Nangataka ny sazy  mihatra kosa ity polisy mba ho fiarovana ny ainy. Teo anoloan’izany, dia  nandà ny fitoriana azy kosa ireto voampanga noho ilay fitoriana tsy marim-pototra, araka ny fanazavan’ny Depiote Ninà “ Tsy marim- pototra ny fiampangana , miovaova ny fomba fitoriana, milaza fa efatra hetsy ny very tamin’ny fitoriana, nivadika 3 tapitrisa indray taty amin’ny fitsarana” hoy hatrany ny Depiote Ninà.  Araka ny Vaovao voaray dia nametraka fitoriana ihany koa ity Solombavambahoakan’i Mahajanga ity noho ny fisavana   niteraka fahaverezan-javatra maro tao an- tranony toy: ny (tablette, ny ordinateur sns ….) teo ihany koa ny “ fanambanan’ireto mpitandro ny filaminana ny zaza vao 2 taona monja”. Nanamarina kosa ireto mpitory, fa tsy nisava ny tranon’ity Depiote ity izy ireo. Mbola miandry ny didy kosa ny rehetra ny 27 Septambra ho avy izao.

Nangonon’i Finaritra.R (Stagiaire)

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici