- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha fahafatesan’i Tahisy : Nidoboka eny Antanimora i Fana, ilay rain-janany

Raharaha fahafatesan’i Tahisy : Nidoboka eny Antanimora i Fana, ilay rain-janany

Olona roa, tamin’ireo 14 natolotra teny anivon’ny Fampanoavana, voarohirohy tamin’ilay raharaha nahafatesan’i Tahisy no nadoboka am-ponja vonjimaika, araka ny fanapahan-kevitr’ireo mpitsara mpanao famotorana, omaly. Fanantenana (Fana) ny iray ary mpitsabo, izay nanome fanafody tsy izy an’i Tahisy ny iray. Nahazo fahafahana vonjimaika kosa aloha hatreto ireo olona 12 hafa voasaringotra tamin’ity raharaha ity.

Vita omaly maraina ny famotorana savaronando nataon’ny teo anivon’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona tetsy Tsaralalàna, tamin’ireo olona maromaro, voarohirohy tamin’ilay raharaha « Tahisy sy Fana », izay nahabe resaka ireo tato ho ato, na teny anivon’ny fiarahamonina teny fa indrindra ny tao anatin’ny tambazotra sosialy. « Efa nampanantsoina sy natao famotorana avokoa na ireo fianakavian’ny maty, na ny fianakavian’ny lahy ary ireo olona voakasik’ity raharaha ity. Mahatratra 14 izy ireo no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana androany (ndlr omaly) » hoy ny fanazavana avy amin’ny tompon’andraikitr’ity sampan-draharahan’ny polisy ity.

Omaly efa madiva ho alina vao vita ny fakana am-bavany, nataon’ireo mpitsara mpanao famotorana teny anivon’ny Fampanoavana teny Anosy azy ireo. Herisetra mianjady amin’ny vehivavy, na ara-batana na ara-tsaina no nanenjehana ny sasany ary tao anatin’izany ilay rain-janany, izay azo heverina fa tompon’antoka voalohany. Fampiasana fitsaboana tsy ara-dalàna (pratique illégale de la medecine) kosa no nanenjehana ilay dokotera mpitsabo. Voalaza mantsy ,fa ity farany dia nanome fanafody an’i Tahisy, tsy nifanaraka amin’ny lalàn’ny fitsaboana, izay azo eritretina ho nitarika ity renim-pianakaviana ity hatrany amin’ny fahafatesany. Mbola tsy voalaza omaly moa ny andron’ny fotoam-pitsarana azy ireo. Araka izany, notazonina vonjimaika eny Antanimora avokoa  aloha izany, na i Fana na io ilay mpitsabo. Fahafahana vonjimaika kosa no azon’ireo olona hafa mandra-piandry izay fotoam-pitsarana izay aloha.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici