Nampanantsoin’ny filoham-pirenena ny mpikamban’ny CSM na “filan-kevitra ambonin’ny mpitsara”, izay nilazany ny tokony hivorian’izy ireo tsy ara-potoana handinika haingana ny mahakasika ity olana misy eo anivon’ny mpitsara ity, tamin’ny nampifaningotra mpitsara iray miasa ao Toamasina tamin’ilay raharaha fakàna an-keriny tao Toamasina.
Ny loharanom-baovao no nahafahana milaza fa toa hisy mpitsara telo hafa mety ho soloina mahakasika ity raharaha ity, ao Toamasina. Marina ve sa tsy marina? Mandeha mantsy ny feo fa toa misy hifandraisan’izy ireo amin’ity fangalana an-keriny ity.
Ankoatra izany, fantatra koa fa voasambotra tany Anivorano Atsinanana ilay antsoina hoe Mika anisan’ny namoahana didy fampisamborana momba ity raharaha fakàn an-keriny ity ihany. Mitombo iray indray izany ny olona tsy maintsy hiatrika ny fitsarana amin’izao fotoana izao, manampy ireo 21 efa tazonina. Maro moa vaovao efa notanterina teto amin’ny gazety momba io raharaha io. Saika misy hatrany kosa anefa ny tranga hafa mipoitra tsikelikely amin’izao fotoana izao, izay mahaliana ny mpanara-baovao. Ho hita eo ihany araka izany izay ho tohiny.
Malala Didier