- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha fakàna an-keriny : Nahazo fahafahàna vonjimaika ireo mpanao gazety

Raharaha fakàna an-keriny : Nahazo fahafahàna vonjimaika ireo mpanao gazety

Taorian’ny fihenoan’ireo mpitsara mpanao famotorana, teo anivon’ny Fampanoavana, an’ireo mpanao gazety telo avy amin’ny gazety Ma-Laza sy Zay Zany, dia fantatra fa nahazo fahafahana vonjimaika izy ireo. Amin’ny 18 Martsa ho avy izao kosa ny fotoam-pitsaràna an’ity raharaha ity ao amin’ny efitrano faha-telo. Tsiahivina fa taorian’ny fitoriana napetrak’Atoa Arlan, dadan’i Arnaud, ilay ankizilahy nisy naka an-keriny tao Toamasina no fototr’izao raharaha. Voalaza mantsy fa fanalam-baraka an’itsy voalohany, ary mety ho firaisana tendro amin’ireo mpaka an-keriny an-janany, ireto mpanao gazety ireto, taorian’ny lahatsorana nivoaka an-gazety. Mpanao gazety maro no tonga teny Anosy omaly, nanatrika ity raharaha ity sy nanotrona ireto namana niakatra Fampanoavana ireto. Teo ihany koa ireo tao amin’ny Holafitry ny mpanao gazety, izay notarihan’ny filohany, Atoa Gerard Rakotonirina. Tamin’izany no nanamafisan’ity farany fa tokony ho matihanina hatrany ny mpanao gazety eo amin’ny asany sy amin’ny famoahana lahatsoratra. Ny fanamarinana tsara ireo vaovao izay avoaka izany ary indrindra indrindra ny fanajàna ireo lalàna velona sy etika mifehy ny asa fanaovan-gazety.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici