Hiatrika ny fampanoavana anio maraina raha tsy misy ny fiovana ny Depiote teo aloha Zozo, izay niaraka nosamborina tamin’ny mpiambina azy sy ny rahalahiny ary olona roa hafa noho ny raharaha fakana an-keriny tany Tsaratanana sy ny manodidina. Olona dimy no hiatrika ny fitsarana izany. Manoloana ity raharaha ity, manao antso avo amin’ny fanjakana ny zanany sy ny fianakaviany mba hijery akaiky ny raharaha. « Tsy mitombina ny fanenjehana ny Depiote Zozo satria izy aza no anisany niara-niasa akaiky tamin’ny Mpitandro filaminana nandritra ny naha Solombavambahoaka azy teo aloha. Olon’ny fiarahamonina izy fa misy zavatra ambadika izao. Ankoatra izay, tsy salama izy ary tokony hanaraka fitsaboana », hoy ny zanany nanoloana ny mpanao gazety omaly. Nisy ny fijoroana vavolombelona ary fanangonan-tsonia nataon’ny fokonolona avy any Tsaratanana omaly mba hamotsorana ny Depiote Zozo omaly. Ny loharanom-baovao avy amin’ireo olona akaiky Ity Solombavambahoaka teo aloha ity ihany no nilaza fa tsy misy olona mijoro vavolombelona na manamarina fa lehiben’ny fikambanan-jiolahy izy, siosion-dresaka mandehana fotsiny no nisamborana azy hoy hatrany ny fanazavana izy ireo. Miandry ny vokatry ny raharaha eny anivon’ny fitsarana ny fianakaviany sy ny fokonolona.
Yv Sam