- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha fanafihana masera : Tafakatra 25 ireo olona nosamborina

Raharaha fanafihana masera : Tafakatra 25 ireo olona nosamborina

Miroso hatrany ny fanadihadiana ataon’ireo mpitandro filaminana tamin’ilay trangam-panafihana niseho tao Antsahatanteraka Andranomanelatra, Antsirabe, ny herinandro lasa teo. Fantatra ary fa tafakatra 25 eo no isan’ireo olona nosamborina tamin’ity raharaha ity. Misy amin’ireto olona ireto no isan’ireo nandray anjara nivantana tamin’ilay fanafihana, misy kosa ireo mpiray tsikombakomba nampiantrano ireo olon-dratsy. Mbola mitohy hatrany anefa ny fikaroham-baovao mahakasika ireo nahavanon-doza. Hatreto kosa dia mbola tsy hita izay nasian’izy ireo, ireo entana marobe norobainy sy ny vola. Tsiahivina fa tsy vitan’ny efa norobaina ireto relijiozy ireto fa mbola nampiharan’ireo andian-jiolahy ny filan-dratsiny. Anisan’izany lasibatra tamin’izany ihany koa ny tovovavy tera-tany vahiny iray, izay efa nandeha nody tany aminy moa, araka ny fampitam-baovao azo.

m.L / Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici