- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversRaharaha fanampohana solika : Nadoboka am-ponja vonjimaika ilay olona tratra tany Foulpointe

Raharaha fanampohana solika : Nadoboka am-ponja vonjimaika ilay olona tratra tany Foulpointe

 “Ny zandarimaria dia vonona mandrakariva hamongotra ny fanetriben’ny firenena amin’ny fanaovana hosoka sy halatra”. Natolotra ny Fampanoavana ilay lehilahy voasambotry ny zandary tany Foulpointe, izay voarohirohy tamin’ny resaka trafika sy fanapohana solika. Araka ny fanapahan-kevitry ny mpitsara mpanao famotorana moa dia nadoboka avy hatrany ao amin’ny fonjaben’i Toamasina ity lehilahy ity, miandry ny fotoam-pitsaràna azy. Raha tsiahivina ny zava-nisy. Andro vitsy lasa izay no voasambotry ny zandary avy ao amin’ny sampana mpikaroka heloka bevava tao Toamasina ny lehilahy iray, izay voatondro ho mpiray tsikombakomba tamin’ireo olon-dratsy mpanao trafika sy mpanapoka ranon-javatra solika. Tany Foulpointe ity farany no tra-tehaka taorian’ny fanadihadiana lalina nataon’ireto zandary ireto, taorian’ny fitoriana napetraky ny sampan-draharaham-panjakana misahana ny solika (OMH) sy taorian’ny baiko nomen’ny tonia mpampanoa lalàna tany an-toerana, ny amin’ny tokony hanohizana lalindalina kokoa ny fanadihadiana. Marihana taorian’ny fahatratrarana ilay garazy tao Antanandava, izay fantatra fa mpanodinkodina solika ary manampoka ranon-javatra hafa amin’izany, niaraka tamin’ireo olona maromaro voarohirohy tamin’ity raharaha ity dia tsy nijanona hatreo akory izany. Nitohy hatrany ny raharaha ary fantatra fa ity nipaka hatrany Foulpointe ity. Tany amin’ity olona voasambotra ity mantsy, raha ny fanazavana azo no nametrahana ireo ambin-tsolika hafa, raha sarona ilay tao Toamasina. Miafina ao ambadiky ny hoe manana taratasy ara-dalàna ahafahana mivarotra ity farany kanefa rehefa tena nozohina dia efa nomen’ny OMH taratasy fampiantoana io asany io. Ambonin’izay, avo folo heny ny tahiry tokony ho tazominy no hita tao aminy. Tamin’ny fisavàna nataon’ireo zandary mantsy dia nahitàna “bonbonnes” efa ho zato mahery tao aminy, ka ny antsasak’izay mahery dia mbola feno lasantsy, pétrole ary gazoil. Nahitàna fitoerana “acide sulfurique” ihany koa tao aminy, basy iray ary môtô amam-polony maro. “Rehefa natao ny fanadihadihana dia hita fa mifandray tanteraka amin’ireo olona tompon’antoka amin’ny fanampohana solika ny tenany” hoy ny vaovao. Mitana ny sain’ny maro tanteraka tokoa ity raharaha ity ary ny hirarihan’ny rehetra dia mba hitohy ary hipaka hatrany amin’ireo trondro vaventy, atidoha nikotrika ity fanapohana solika ny fanadihadian’ireo tompon’andraikitra.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici