Etsy Behoririka anio no haneho ny heviny mahakasika ilay raharaha fanondrahana asidra vehivavy malagasy, izay niteraka resa-be teto an-drenivohitra, ilay sinoa izay voarohirohy ho tompon’antoka tamin’izany. Raha hiverenana kely dia izy io no voarohirohy ho naniraka Malagasy iray hitoraka asindra ny tarehin’ilay vehivavy izay manana disadisa aminy eny amin’ny fitsarana. Samy nandeha tamin’ny tambajotra sosialy ny sarin’izy roa ary samy niteraka resa-be avokoa. Nalahelo ny olona raha nahita ny fahasimban’ny tavan’ilay mpiray tanindrazana aminy ary tezitra kosa raha nahita ilay sinoa, indrindra raha nahazo fahafahana vonjimaika ihany koa io farany rehefa teny amin’ny fampanoavana.
D.R



