- Publicité -
mardi, juin 3, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha Fernand Cello : Amin’ny alatsinainy no hiakatra Fampanoavana

Raharaha Fernand Cello : Amin’ny alatsinainy no hiakatra Fampanoavana

Marobe ny manaraka ity raharaha ity ankehitriny aty an-drenivohitra. Tsy inona izany fa ilay fanambanana basy mpanao gazety (Fernand Cello) tany Ilakaka. Efa namoahan’ny Tonia mpampanoa lalàna didy fampisamborana ilay lehilahy tompon’andraikitra tamin’izany ary nisy ny fihainoana azy tao amin’ny zandary. Taorian’izay anefa dia navela malalaka hamonjy ny fodiany izy, ary raha ny fantatra dia amin’ny alatsinainy no hiakatra fampanoavana ny raharaha. Avy aiza ny basy nampiasainy? Moa ve mba nisy fanadihadiana nandeha tamin’ny fahafahan’io olona io nitazona basy? Moa ve mba noraisina tanaty P.V ny hoe fandrahonana ho faty amin’ny basy? Raha olona saika hamono olona ve dia tokony havela hiriaria indray, tsy hatahorana hamerina an’izany amin’ny olon-kafa ve? Raha tsiahivina anefa fa ilay fandrahonana dia teo imason’ny vavolombelona marobe, dia ny miaramila sy ny vahoaka tao anatin’ny ala arovana…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser