- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha Fianarantsoa : Mitombo isan’andro ny olona henoin’ny zandary

Raharaha Fianarantsoa : Mitombo isan’andro ny olona henoin’ny zandary

Mitombo hatrany ary efa tonga hatrany amin’ny mpitandro ny filaminana sasany ny fanadihadiana izay hatao ao amin’ny biraon’ny zandary misahana ny raharaha mahakasika ny heloka bevava ao Fianarantsoa. « Nohainoina avokoa izay olona rehetra notononin’ny mpiambina sy mpiasan’ny Viva hatreto. Misy amin’izy ireo no mpitandro ny filaminana » raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpanao fanadihadiana. Midika izany fa tsy nisy nambanian’ny zandary izay rehetra mety ho irika ahitàna izay tompon’andraikitra tao anatin’iny raharaha fandrobàna io onjam-peo io. Ao an-toerana dia mizara roa tanteraka, toa ny pôlitika ihany, ny hevitry ny olona ary torak’izany ihany koa ny manam-pahefana. Ny andaniny dia milaza fa misy mpiandraikitra amin’ny fiambenana ny sasany tamin’ireo izay nolazainy fa mpitandro ny filaminana izay voalaza fa fantatry ny mpiambina ny tarehiny. Ny ankilany kosa dia mahita fa novolena mihitsy iny raharaha iny mba entina hanakorontanana an’i Fianarantsoa. Ao amin’ny biraon’ny zandary kosa dia efa milahatra mihitsy ny olona miandry ny fanadihadiana azy. Ao ny vavolombelona ary ao ihany koa ny olona voatonona nandritry ny fanadihadiana ny sasany. Ny tompon’andraikitry ny Viva ao an-toerana indray dia nanazava fa nisy tamin’ny mpanao gazetiny no voatery tsy maintsy nalefa nivoaka an’i Fianarantsoa aloha mba ho fiarovana ny ainy. Ao an-toerana indray dia nilamina tanteraka ny tanàna ary tsy misy na tamingana korontana azy. Na izany aza anefa dia nisy tamin’ireo mpanao pôlitika no nangataka ny hanamafisana ny fiambenana azy sy ny tranony ary neken’ny mpitandro ny filaminana izany. Fantatra fa hidina any an-toerana ny lehiben’ny Governemanta anio ary heverina fa haneho ny heviny mahakasika ny raharaha Fianarantsoa ny tenany. Mitontona ihany koa izany amin’ny fanehoan’ny Cenit ny vokatra vonjimaika tamin’ny fifidianana Ben’ny tanàna tao amin’ny faritanin’i  Fianarantsoa. Vonjimaika ihany izany satria ny « tribunal administratif » no hamoaka ny vokatra raikitra sy ôfisialy. Mbola manana fitarainana miiisa 414 rahateo izy ireo hatreto ary manana 40 andro ny mpitsara handinihna an’izany, alohan’ny hamoahany ny didy. Etsy andanin’izany koa anefa dia nilaza ny loharanom-baovao akaiky ny Mapar fa hilatsaka ao an-toerana i Andry Rajoelina ary hanohy ny hetsika efa nataony. Handrasana indray izay mety ho tohin’ny raharaha…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici