- Publicité -
lundi, juin 23, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha fisolokiana : Efatra tapitrisa ariary, very an-javony

Raharaha fisolokiana : Efatra tapitrisa ariary, very an-javony

Mitady izay hevitra rehetra ahazoana vola moramora, amin’ny fomba rehetra, ny ankabeazan’ny olona amin’izao fiainana mihasarotra isan’andro izao. Toa ity tranga iray, izay mahakepoka ireo tojo azy. Raha ny fitantaran’ny olona efa sendra azy dia efa fanaon’ity vehivavy iray ity ny mindram-bolabe aman’olona. Avy eo izy indray no mitory sy mahazo rariny. Mpitondra fivavahana iray sy ny fianakaviany no tratra raha nindrana efatra tapitrisa ariary izy, fa hoe haka vola be any amin’ny banky ka mila antoka. Nampanantena ny hoe hampihodina vola ary hifampizarana izay tombony. Nisy ny taratasy nifanaovana tamin’izany, raha ny filazan’io olona voasoloky io. Taty aoriana, tsy mbola hita ihany izay volabe nivoaka tany amin’ny banky. Nony farany, tonga hatramin’ny fandavàna an-kitsirano ny fisian’io vola nindraminy io ilay ramatoa. Nampiakatra fitsaràna araka izany ilay mpitondra fivavahana. Kanefa, zavatra hafa tanteraka no niseho tany amin’ny fitsaràna. Indro efa nisy fitoriana nikasika azy ireo ihany koa nataon’ilay ramatoa nisoloky. Fitoriana, izay nilaza fa nandrahoana ny hamono azy iretsy farany. Any amin’ny fitsaràna moa amin’izao fotoana izao ny raharaha ary izy irery ihany no afaka ho tompon-teny farany amin’ity raharaha ity. Aoka mba samy ho mailo ny rehetra, araka izany, fa tsy kely lalàna tokoa ny ratsy. Ary tsy misoratra eny amin’ny tavany izy io.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser