- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRaharaha fitsaboana nentim-paharazana : Niakatra fitsarana ambony ny alarobia teo ny raharaha

Raharaha fitsaboana nentim-paharazana : Niakatra fitsarana ambony ny alarobia teo ny raharaha

Tsy mety kivy ireo tovovavy nitory an’ingahy Razanadrajaona Daniel mpitsabo nentim-paharazana. Isan’ny nitoriana ity mpitsabo nentim-paharazana ity izay nalaza ny volana may sy jona tany ho any, dia ny fananararaotana ara-nofo nataony tamin’ireo tovovavy tsaboany. Voalaza fa nisy tamin’ireo tovovavy notsaboany ireo no nisy tromba saingy tsy nivoaka, ka raha vao nanatona azy dia nivoaka izany ary lasa mpitsabo olona koa izy ankehitriny. Vehivavy fito notsaboina tao no indray mitory an’ingahy R. Daniel ary samy nijoro vavolombelona azy teo amin’ny fitsarana izy ireo. Raha ny fanazavana dia ny 22 jona teo no niakatra fitsarana ambaratonga voalohany ny raharaha, ka nahavoaheloka an’ingahy Daniel ho 5 taona am-ponja sazy mihatra. Nanao fangatahana fitsarana ambony ny tenany ka raha saika atao ny 21 aogositra izany dia nahemotra ny 27 septambra indray izany. Mivoatra ny raharaha amin’izao, ka misy tamin’ireo tovovavy mpitory nanenina  satria sahirana be izy amin’izao, tsy mety mahita asa, sahirana izy amin’ny fidiram-bola. Raha ny angom-baovao dia tsy nijoro vavolombelona teny amin’ny fitsarana intsony ireto olona nanenina ireto, ka ho hita eo ny tohin’ny raharaha aorian’ny fitsarana azy. Ankoatra izany dia mijoro ny borigady misahana ny fanolanana eto Toamasina izay miara-miasa amin’ny CSI, izay nilaza fa ny fananararaotana ara-nofo dia sandaina ara-nofo ny asa rehetra atao, izay tsy azo ekena eto amintsika, ary henjehan’ny fitsarana izany.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici