- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversRaharaha grenady : Nalain’ny kômandô an’ny RFI tao Antanimora ireo namany

Raharaha grenady : Nalain’ny kômandô an’ny RFI tao Antanimora ireo namany

Miaramila na koa kômandô maromaro izay nandeha 4X4 no naka ny namany tao am-ponja. Tsy nisy ny rà mandriaka, saingy mipetraka kosa ny fanontaniana hoe nisy didy momba izany ve?

Ny alin’ny zoma teo no tonga ireo miaramilan’ny RFI maromaro naka ireo namany izay notazonina tao amin’ny fonjan’Antanimora. Nandeha fiara tsy mataho-dàlana izy ireo, raha araka ny fanampim-baovao azonay. Tsy nisy ny herisetra fa dia nalaina mora tao an-toerana ireo miaramila fito izay eo anivon’ny toby RFI no miasa, raha tsiahivina kely. Ny momba ny hoe nisy alàlana avy any amin’ny fitsarana ve sa tsia dia tsy mbola nahazoana fanazavana aloha hatreto. “Efa mazava ny fanapaha-kevitray : tsy avelanay hogadraina izany ny namanay” raha araka ny miaramila iray izay eo anivon’ny RFI izay nanaiky ny hifampiresaka taminay raha tsy tononina anarana. Ary dia tena notontosain’ireo tokoa izany ny zoma teo. Raha hiverenana kely dia efa tonga teny amin’ny fitsarana ny lehiben’ny toby RFI nandritra ny nitondrana ireo namany tao amin’ny fampanoavana. Raha ny vaovao ôfisialy momba an’izany dia hoe hanotrona ny namany fotsiny ihany no nandehanany teny fa tsy misy fikasana ny hanohitra ny didim-pitsarana akory. Teo dia nandeha ny feo fa nekena ny hitondrana ireo miaramila izay voarohirohy tamin’ny halatra basy tao amin’ny BANI eny amin’ny toby, fa tsy any Tsiafahy araka ny didin’ny fampanoavana. Niova tanteraka anefa izany rehefa nisy ny fivoriana maimaika natao izay notronin’ny lehiben’ny mpitandro ny filaminana. Ny niafarany dia naterina teny amin’ny fonjan’Antanimora avokoa ireo voarohirohy tao anatin’ny raharaha, na sivily izany na miaramila. Nivoatra ny raharaha ary tsy niherina akory ny herinandro dia navoakan’ny miaramila maromaro tao amin’io toerana io indray ireo namany. Tsy nisy fanoherana nataon’ny mpiandry fonja. Heverina fa efa nisy izany ny fifampiraharahana na koa mba noraisina ny fanapahan-kevitra mba tsy hisian’ny rà mandrika. Isan’ny hery iray tena mafy eo anivon’ny miaramila mantsy ny RFI, na ny fanofanana omena azy ireo aza dia mba hahatongavan’ireo ho kômandô rehefa avy mandalo ao. Dia nalain’ny kômandô tokoa ny namany fa tsy navelany tany am-ponja. Handrasana ny mety ho tohin’ny raharaha…

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser