- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversRaharaha grenady : Navotsotra ilay mpiambina an-dRobinson

Raharaha grenady : Navotsotra ilay mpiambina an-dRobinson

Olona fito no nohenoina, navotsotra ny iray ary mbola tazoninin’ny mpanao fanadihadiana kosa ny miaramila efatra miasa eo anivon’ny Cosofam. Izay ny vaovao azo avy amin’ny mpitandro ny filaminana mahakasika an’ilay raharaha grenady izay napoaka tetsy Anosikely. Ny loharanom-baovao mitovy ihany no nanamarina fa mpiambina ny Dokotera Robinson nandritr’ireny fotoan’ny fampielezankevitra ireny ny iray izay efa navotsotra. Io farany, raha tsiahivina kely, no nosamborina voalohany vao nitranga iny fipoahana iny. Adjidà ny galona entiny, raha araka ny fanampim-panazavana hatrany. Mizara roa tanteraka izany, kanefa toa mifameno ihany, ny fanadihadian’ireo vondrona roa izay misahana an’iny raharaha iny. Ny pôlisy avy ao amin’ny BC dia miompana any amin’ny niavian’ny grenady, avy amin’ny alàlan’ny laharany (lotissement), ny fanadihadiana. Loharanom-baovao akaiky io sampana io no nandrenesana fa misy olona efa migadra eny Tsiafahy no nitazona grenady nitovy laharana sy marika tamin’ilay nampiasaina tetsy Anosy. Nisy ny fangatahana alàlana manokana avy amin’ny mpitsara mba hahafahana mihaino azy ireo. Ny an’ny eo anivon’ny zandary indray, dia tsikaritra fa miompana kokoa mankany amin’ny miaramila ny fanadihadiana. Porofo mivaingana ny fitazonana ireo miaramila efatra avy ao amin’ny Cosofam ka hihainoana azy ireo. Lalana roa samihafa arak’izany no lavahan’ny manampahaizana eo anivon’ny “police judiciaire”. Handrasan’ny besinimaro amin’izay izany hampahafantarana ampahibemaso ny niavian’ny grenady, voalohany, ary faharoa ny amin’izay nanao heloka bevava tetsy Anosy ka nitarika fahafatesan’olona roa sy maratra 45 isa.

D .R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser