- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha grenady : Nisy 4X4 efatra nifampitadiavana

Raharaha grenady : Nisy 4X4 efatra nifampitadiavana

Tsy ela ny fanangonam-baovaon’ny mpanao fanadihadiana, mahakasika ilay raharaha grenady. Raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana dia efa misy ny ahiahiana : « olona maromaro izy ireo no ao anatiny ary nandeha fiara tsy mataho-dàlana miisa efatra tamin’iny andro nitrangan’ny fampihorohoroana teny Anosy iny. » Niditra tao amin’ny hotely iray eny Itaosy ary nivory tao, raha araka ny loharanom-baovao mitovy hatrany. Vetivety taorian’izay dia tonga teny ny mpitandro ny filaminana marobe saingy efa vita ilay fivoriana ary tsy nisy hita intsony izay nanjavonan’ireo olona nony avy eo. Hatreto izany dia heverina fa mety hitombina ihany ilay fanazavan’ny nahita, izay isan’ireo naratra rahateo, fa nisy fiara 4X4 nandeha mafy be taloha kelin’ny fipoahan’ilay grenady. Efa manao izay ho afany ihany koa ny mpanao fanadihadiana manao ny kisarin’ilay lehilahy fotsy, lavalava, araka ny famaritan’ny vavolombelona azy. Izany dia mba hahafahana mahazo « portrait robot » ka hoentina hanamorana ny fitadiavana izay mety ho tompon’andraikitra momba iny raharaha iny. Raha haingana toy izany ny fivoaran’ny raharaha, inoana marimarina kokoa fa efa ananan’izy ireo hevitra ny momba ireo mpampihorohoro ireo. Manaraka izany, efa nilaza ny lehiben’ny zandary eto amin’ny faritra Analamanga fa mitovy tanteraka  ny marik’ireo grenady rehetra nentina nanao asa fampihorohoroana tamin’ny taon-dasa, ary koa ilay tetsy Anosy farany teo. Mety hoentiny hanazavana izany ary nohazavainy mihitsy aza fa olona anaty fikambanana iray efa aorian’ny fanipazana grenady ny tokotanin’ny lehiben’ny CES, ny fivarotan-tsolika Total ary koa ny fipoahana tetsy Ambondrona no ao ambadik’ity raharaha Anosy ity. Tsy hidirana lalina ny amin’izany satria anjaran’ny manam-pahaizana eo anivon’ny “police judiciaire ». Ny andrandrain’ny maro dia ny mba hahazoana izay tena tompon’andraikitra ary koa hahafantarana ny antony nisafidian’ireo ny fandatsahan-drà. Torak’izany ihany koa ny toerana tena niavian’ireo grenady. Efa iaraha-mahalala izao fa vita rosiana ireo grenady, fa kosa ny momba ireo toerana niaviany no mila ampahafantarina amin’izay…

Didi R.

Tsy maty izany !

Niely ny feo omaly tolakandro fa maty koa ilay zaza faharoa izay nipitihan’ny grenady tetsy Anosy. Izy io dia rahalahin’i Kevin, ilay zazakely telo taona izay namoy ny ainy ka nalevina afak’omaly. Mbola mitohy ny fitazomana azy ao amin’ny Hjra ary manao izay ho afany ny ao an-toerana amin’ny fitsaboana azy. Omaly dia parlemantera maromaro no tonga namangy azy sy ny fianakaviny tao amin’io hopitaly io.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser