Tsy mety milamina ny raharaha tany ao Belambo Toamasina II, ny tompony izay nividy azy ara-dalàna miaro ny fananany ary manarama olona an-jatony miambina ny taniny andro aman’alina; ireo vahoaka milaza ho “madinika” koa ankilany misisika hiditra fa misy an’ingahy Alphonse miaro azy ireo.
Raha noheverina fa handamin-javatra ny raharaham-pitsarana farany teo izay nahazoan’ingahy Alphonse aloha fahafahana madiodio tamin’ny fitsarana na efa nohazonina am-ponja vonjimaika efa ho herinandro mahery aza; dia tsy izay ny zava-misy ao Balambo fa vao mainka miteraka sakoroka lava ny zava-misy ka ny nitranga omaly no tena olana satria naharatrana olona am-polony. Ho fiarovany ny taniny izay misy miditra sy manao trano tsy ara-dalàna an-keriny dia nametraka mpiambina an-jatony miaro ny fananany ny tompon-tany; tsy mitsitsy ireto mpiambina ireto fa izay miditra dia voadaroka avy hatrany; omaly anefa dia misy andian’olona saika mbola hiditra tao anatin’ilay tany ka raikitra ny ady saritaka sy fifampidaroahana. Voatery niditra an-tsehatra nandamina ny raharaha ny depioten’i Toamasina II izay fantatra fa namana akaiky an’ingahy Alphonse, saingy tsy nahavaha olana; ireo Emmo-Securité vao nampilamina ny raharaha, izay nanazava fa heloka ny fidirana anaty tanin’olona manan-tompo tsy nahazoana alàlana avy amin’ny tompon-tany amin’ny fikitihana ny zavatra ao anatiny. Ankilan’izay dia voalaza ihany koa fa manararaotra mangalatra sy manolana indray koa ireto mpiambina maro be nalefan’ny tompon-tany miambina ny fananany ireto; nambaran’ny Emmo-Sécurité fa nanan-jo hitory izay olona nanao sy nahavita izany eny anivon’ny zandary na polisy misahana ny heloka be vava ireo efa tratran’izany, ahafahana misambotra sy manasazy ireo mety nanao izany tany an-toerany.
Ankoatra izany dia milaza ny tsy hilefitra hatramin’ny farany amin’ny fiarovany ny tany novidiany ara-dalàna sy hananany taratasy mari-pototra ireo nividy am-pahan-tany tao Belambo ity ny tompon-tany; koa miangavy ny fanjakana, ny fitsarana izy handray ny andraikiny avy hilaminan’ny raharaha, fa lasa fomba amam-panao ny toy izao ka ny ara-dalàna indray no mandefitra amin’ny tsy rariny.
Malala Didier