- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha héroïne : Nalain’ny polisy ilay komisera nosamborina

Raharaha héroïne : Nalain’ny polisy ilay komisera nosamborina

Tsy niandry ela fa omaly ihany dia nalain’ny polisy ilay Contrôleur Général izay nisamborin’ny zandary tetsy amin’ny hotely iray tetsy Ankadindratombo. Mbola mipetraka ihany izany ny « protocole d’accord » fahiny eo amin’ny samy mpitandro ny filaminana izay fifanarahana ny amin’ny samy hanaovan’ny vondrona tsirairay manao fanadihadiana ny olony. Afak’omaly, raha tsiahivina kely, dia nosamborin’ny zandary io jeneralin’ny polisy io rehefa nolazain’izy ireo fa tratra ambodiomby teo am-pidorohana héroïne. Talem-paritry ny polisy teo aloha izy io ary rehefa voarohirohy tamin’ny fanodinkodinana rongony maherivaika izay nogiazana dia naato tamin’ny asany. Tsy hoe nesorina tsy ho polisy akory fa kosa najanona tamin’ny maha-tale azy ary napetraka ho miandry baikon’ny lehibeny (mise à disposition) eo anivon’ity vondron’ny mpitandro ny filaminana ity. Endrika sazy izany raha eo amin’ny fiainana arak’asa. Raha ny fanazavan’ny zandary dia mbola sarona niaraka tamin’ny tao anaty efitranon’ny hotely ireo fitaovana fikarakaràna fidorohana zava-mahadomelina avo lenta. Ankoatr’izay dia mbola nisy amphétamine 30g izay voalazan’ny zandary fa hamidy. Midika izany fa sady midoroka izy no mibizna ary lazain’ny mpisambotra fa ananan’izy ireo porofo izany rehetra izany. Eo am-pelan-tànan’ny polisy indray izay ny olona voakasika raha efa nanomboka ny fanadihadiany ny zandary. Handrasana ny fanazavàna ofisialy ny amin’ny mety ho fivoaran’ny raharaha.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

  1. Dia aiza ‘zany?
    Raha ny heverina ho hitsikitsika hivavahana indray no lasa papango mifaoka ny zanak’akoho dia kiraro mivadika no anaovan’ ny rehetra eto.
    Histoire de sous et on vend sa dignité.
    Pauvreté ? Elle est où ?

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici