“Ny mpiasan’ny fahasalamana dia mpitsabo, fa tsy fagnafody aigny”, izay no voasoratra teo amin’ny sora-baventy nolanjain’ireo mpiasan’ny minisiteran’ny fahasalamana, nahita ireo mpitsabo sy ireo mpitsabo mpanampy, omaly maraina tao amin’ny hopitaly Morafeno. Ny antony dia nisy ny fitokonana fanairana nataon’izy ireo, izay nentin’ireto mpiasan’ny fahasalamana Toamasina miasa eo anivon’ny hopitaly be sy hopitaly Morafeno ireto, naneho ny firaisan-kinan’izy ireo noho ny raharaha “Hortencia”. Nitory mpitsabo sy mpitsabo mpanampy nisahana ny fandidina an’ity renim-pianakaviana ity ny 10 febroary teo, izay maty teo am-pandidiana, ny fianakaviany. Ho an’ireto fianakaviana ireto dia noho ny tandrametaka nataon’ireo mpitsabo no niteraka ny fahafatesany fa tsy noho ny aretiny. Teny amin’ny tonia mpampanoa lalana amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina no napetraka ny fitoriana, ny tonia mpampanoa lalana indray no namoaka didy mampisambotra sy mampanao fanadihadiana ireo mpitsabo nisahana ny fandidiana teny amin’ny polisy. Ny tahotra hizaka na ny fahadisoana nataon’ireto mpiasan’ny fahasalamana dia izao nanao fitokonana fanairana izao, omaly, araka ny nambaran’ny solontenan’izy ireo. Raha ny angom-baovao natao dia ny aretina tao amin’ny tranon-janany izay tsy maintsy nilana fandidiana no nitarika ny fahafatesany. Io fanazavana io ihany no nilaza fa notsindromina fanafody fampatoriana ampahany “anesthesia locale” izy nandritra ny fandidiana, nefa nahatsiaro naharary ilay ramatoa tao anatin’ny fandidiana azy, ka voatery natao fampatoriana manontolo “anesthesie generale” indray. Ity fampatoriana manontolo natao taminy ity no niteraka olana tamin’ny fandidiana azy, nefa ilay olana tao amin’ny tranon-janany tsy mbola voadidy nandritra izany. Raha ny antoandron’ny 10 febroary no nitranga ny olana, dia io andro io tamin’ny 09 ora alina vao nilaza tamin’ny fianakaviany ary navoaka tao anatin’ny efitrano fandidiana ilay ramatoa. Ankoatra izay, nilaza mazava ny fianakavian’ny maty fa fitadiavana ny marina amin’ny fomba nahafaty ny havan’izy ireo, sy ny tsy hiverenan’ny asa kitoatoa sy tandrametaka nefa mitaky vola be amin’ny marary ataon’ireo mpitsabo eo anivon’ny hopitalim-panjakana no anton’ny fitoriana nataon’izy ireo.
Malala Didier