- Publicité SW45 -
vendredi, octobre 18, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRaharaha Ikongo : Olona 21 no namoy ny ainy araka ny fanadihadian’ny...

Raharaha Ikongo : Olona 21 no namoy ny ainy araka ny fanadihadian’ny CNIDH

Nanatanteraka fanadihadiana mahaleo tena tany Ikongo ny CNIDH, na ny vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny zon’olombelona, manodidina ny fitifirana olona am-polony, ny 29 aogisitra lasa teo. 21 ny isan’ireo namoy ny ainy raha ny tatitra azon’ny CNIDH. Nanazava ny antony nahatonga iny tranga iny izy ireo, ka nilazany fa nisy ny tsy fahazoan’ny fokonolona ny momba ireo voarohirohy tamin’ilay famonoana zaza varira. Nandeha ny resaka ny amin’ny hoe tsy matoky ny fitsarana sy ny mpitandro filaminana ny vahoaka. Nisy anefa ny atao hoe «koka» izay fanaon’ny olona any an-toerana rehefa misy ny zava-mitranga, ka mandeha daholo ny iray tanàna. Efa fomba fanao izy io, ka olona 300 eo ho eo no tonga teny amin’ny biraon’ny zandary. Nilaza tamin’ny CNIDH ireo olona ireo fa haka ireo olona voarohirohy. Nisy ny fifampiresahana tamin’ireo saingy tsy nahitam-bokany. Teo no raikitra iny toe-javatra iny. Isan’ny tsy voaresaka kosa anefa fa nisy fianakaviana nosamborin’ny fokonolona sy novonoiny ary notetitetehina satria hoe fianakavian’ireo efa-dahy nosamborin’ny zandary. «Takiana ny hivoahan’ny fanadihadiana ara-pitsarana momba ity tranga ity. Aleo handeha eny anivon’ny fitsarana ary ampahafantarina ny marina», hoy ny CNIDH. Mifototra amin’ny fametrahana paikady enti-misoroka ny fiverenan’ny tranga toa itony ny anton’izao. Ny tanjona ihany koa dia ny hamoahana ny zava-nisy mba hahafahana mandray ny fepetra rehetra manoloana izany.

Yv Sam

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici