- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversRaharaha Ikongo : “Tsy ny zandary irery no nitifitra” hoy ny SEG

Raharaha Ikongo : “Tsy ny zandary irery no nitifitra” hoy ny SEG

Rehefa hitan’ireo zandary manamboninahitra, tany an-toerana fa niha-ratsy ny toe-draharaha dia nisy  ny fandefasana tatitra tany amin’ny Tonian’ny mpampanoa lalàna tany an-toerana. Ity farany izay nandefa avy hatrany, pôlisy dimy, niaraka tamin’ny mpandraharahan’ny fonja telo, nanampy isa ireo zandary miisa fito tao anatin’ny toby. Izany hoe, rehefa tsy tana sy voatohitra tamin’ny alalan’ireo fampitandremana maro isan-karazany ireo vahoaka dia voatery nitifitra ireto tao anaty toby. Tsy ny zandary irery”.

Nitondra ny valin’ny famotorana tamin’ny ampahany, mahakasika ilay raharaha nahavoatifitra sy nahafaty olona  tany Ikongo ireo tompon’andraikitra ambony teo anivon’ny zandarimariam-pirenana, izay notarihin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandary, ny Jly Serge Gellé, omaly tetsy amin’ny Toby Ratsimandrava. “Hita sy voamarina araka ny porofo ety an-tanana sy ireo fakàna am-bavany isan-karazany ireo olona voatonotonona, izay anisan’izany ireo zandary tao anaty toby fa tena tao anatin’ny faritra mena nofaritan’ireto mpitandro filaminana tokoa ireo no voatifitra” hoy ity tompon’andraikitra ambony ity. “Sivy ireo maty tsy tra-drano, ary samy tafiditra tao anatin’ilay kofehy fehy mena, 35 metatra mialan’ny toby, mamaritra ny maha-faritra mena ny “caserne” izy ireo.”. Fanazavàna izay nentiny nandisoana ireo filazàna fa niniana notifirina sy nohenjehana taty ivelan’ny faritra mena ireo vahoaka. Mbola niampy ny hoe “ny akaiky indrindra aza dia teo amin’ny dimy metatra mialan’ny toby”. Ankoatr’izay, nanazava ity manambonahitra jeneraly ity fa tsy maintsy misy ny an-tohatra arahana vao tonga tamin’ireny toe-javatra nampalahelo ireny : tsy maintsy atao ny fifampiresahana tamin’ireo fokonolona, ary nisy izany saingy nandamoka. Niditra tamin’ny fandefasana entona mandatsa-dranomaso anankiroa saingy mbola tsy nahasakana ireo andian’olona. Niroso indray ny fanapohana baomba mandatsa-dranomaso miisa dimy taorian’izay, saingy tsy nisy vokany. Voatery nanao tifi-danitra araka izany izy ireo saingy izy toe-javatra izay no tena nampirongatra ny olona. Eo anatrehan’ny zava-nisy dia tsy maintsy nanome baiko ny hitifitra ny tompon’andraikitra tamin’izany. “Raha ny marina tokony ho bala fingotra tokoa no nampiasaina, saingy tsy manana izany ny tao amin’ny “caserne”. Dia tsy maintsy mampiasa izay eo am-pelan-tanana. Ary ny tranga eto dia efa tsy fitandroana ny filaminana intsony fa efa famerana izany filaminana izany miampy fiarovana ny toby. Hiharan’ny rehetra mahafantatra anefa ny famerenana ny filaminana dia maintsy mampiasa hery” hoy hatrany izy.

Marihana fa “mbola am-pahany amin’ny fakàna am-bavany ireo olona voatonotonona, izany ireo zandary nitifitra, sy ireo olona nanatri-maso ny zava-nisy, eny fa na hatramin’ireo naratra voatifitra aza no vita, hoy hatrany izy. Ny polisy sy ny mpandraharahan’ny fonja tao amin’ny toby, izay anisan’ny nitifitra, dia mbola tsy vita ny fihenoana azy”. Nahatratra 49 isa hatreto ireo olona vita fakàna am-bavany izany, izay nahafahan’ny teo anivon’ny zandary namoaka ity fanazavana ity. Raha ny mikasika ireo olona efatra voarohirohy, niandohan’ity raharaha ity kosa dia mbola tsy hita izy ireo hatramin’izao, raha tafatsoaka tao anatin’ity korontana iny. Izy ireto, raha tsiahivina dia voalaza fa tompon’antoka tamin’ny famonoana feno habibiana ramatoa iray, renin’ilay zaza varira, nalaina an-keriny ihany koa ary notakian’ireo fokonolona atao fitsarambahoaka.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici