- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha Ilakaka : Hotoriana noho ny fampiasana hosoka ilay Thailandais

Raharaha Ilakaka : Hotoriana noho ny fampiasana hosoka ilay Thailandais

« Be loatra ny taratasy tsy mandeha amin’ny ara-dalàna mba nentina nibodoana ny tranoko. Tapa-kevitra aho ankehitriny ny hitory ilay Thailandais izay mpifanolo-bodirindrina amiko, noho ny fampiasany hosoka » hoy ny fanazavan-dRakotonandrasana Nathalie Mariella (RNM) omaly raha nihaona tamin’ny mpanao gazety ny tenany. Isan’ny nosinganiny manokana ny fisian’ny « légalisation de signature » izay nolazaina fa soniany kanefa olon-kafa tanteraka ny anarana hita tao. Tao anatin’izany anefa, raha araka ny fanazavany hatrany, dia izy indray no notorian’ilay vahiny. Ary dia resy tany amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany. Tsy vitan’izany aza fa nisy didy nanala azy teo amin’ilay trano fonenany mihitsy. Nampiakatra teo anivon’ny fitsarana ambony  RNM ka amin’ny roa mey izao no hivoaka ny valin’izany, ao Fianarantsoa. Etsy andanin’izany dia tapa-kevitra ny tenany ny hametraka fitoriana amin’izay noho ny hosoka. « Araraotin’ilay Thailandais ny tsy maha-eto an-toerana ny vadiko mba handaingany fa efa namidy taminy ny tany. Ny tena olana dia efa tamin’ny taona 2010 no nolazainy fa namidy taminy ny trano kanefa roa taona taorian’izay vao nisy ny fitoriana, rehefa saika hisy hividy ilay toerana. Farany dia tsy afeniko fa mamofona kolikoly ity raharaha ity » raha ny fanazavan-dRNM hatrany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser