Mivoatra hatrany ilay raharaha mahakasika vonoan’olona tetsy Imerintsiatosika. Tsy afa-po tamin’ny nanomezana fahafahana vonjimaika ireo olona dimy ny fianakavian’ny maty dia nampiakatra fitsarana ambony ny raharaha. Nametraka ny fitarainany araka izany ireo teto amin’ny fitsarana ambony eto Antananarivo. Etsy ankilan’izany, fantatra fa amin’ny 24 septambra ho avy izao no hiakatra eo anivon’ny mpitsara mpanao famotorana ireo olona rehetra vokasiky ny fanadihadiana teo anivon’ny zandary sy fampanoavana. Nanazava avy hatrany ny tonianin’ny fampanoavana ao Arivonimamo fa tsy midika akory fa hoe afaka tanteraka ireo olona dimy ireo rehefa nomena fahafahana vonjimaika. Mbola mitohy ny raharaha ary mbola hisy ny fanadihadiana manaraka, eo anivon’ny ambaratonga ambonimbony kokoa. Raha ny fijery ny zava-misy dia maro no tsy maintsy nivoaka tamin’ny fahanginany taorian’ilay filazàn’ny olon-tsy fantatra – izay karohina ankehitriny – tamin’ny tambajotra sosialy, fa izay tsy nanam-bola ihany no nidoboka am-ponja tamin’iny raharaha iny. Nanakorontana tanteraka ny saim-bahoaka izany ary niteraka resa-be rahateo teo anivon’ny fiaraha-monina. Ny zandary koa, araka ireny fivoaran’ny vaovao ireny, dia nanamarina fa tsy naka na ny ariary aza tamin’ny fianakavian’ny maty, vola nanaovana ny fitiliana ADN mba hahafantarana ny mpamono azy ireo. Manam-pahefana roa tonta izany izao no voatery nivoaka tamin’ny fahanginana ary nanome fanazavana bebe kokoa momba ity raharaha Imerintsiatosika ity. Ilain’ny olona izany satria efa ambony loatra ny tahan’ny heloka bevava eto amintsika ary tena andrasan’ny olom-pirenena ny fivoaran’ny raharaha mba hahafahan’izy ireo mahazo valim-panontaniany izay mety ilainy amin’ny fiainany. Momba ny heloka bevava izay nitranga ary nifanandrify tamin’ny fotoana mitovy dia ny fanafihana niharo vonoan’olona tetsy amin’ny Gastro tetsy by-pass, dia tsy mbola nisy fanazavana aloha hatreto avy eo amin’ny vondron’ny mpitandro ny filaminana izay manao izany fanadihadiana izany. Isan’ny arahin’ny olona maro maso akaiky anefa ny raharaha ary inoana fa tsy ho ela koa dia haneho hevitra ny polisy etsy Anosy.
D.R