Isan’ny fanapahan-kevitra lehibe tamin’ny fanadihadiana nataon’ny zandary ny nanaovana ny fitiliana ADN izay tsy dia fanao firy eto amintsika noho ny halafony. Nisy indray ny nanely tsaho tamin’ny tambajotran-tserasera « facebook », raha araka ny fanazavan’ny zandary. Izany dia milaza fa noterena hanome vola ny havan’ny maty mba hanatontosàna izany fitiliana izany. Nandà tanteraka an’izany ny mpitandro ny filaminana avy ao amin’ny vondron’ny zandary ary nanambara fa volan’ny zandarimaria ao Itasy tanteraka no nanaovana ny fitiliana ary tsy naka vola na tamin’iza na tamin’iza izy ireo. Notohizan’ireo mpitandro ny filaminana fa hanokatra fanadihadiana avy hatrany momba ireo mpanely tsaho ny zandary. Hiasa indray izany ny sampana « cybercriminalité » eo anivon’izy ireo satria heloka avy amin’ny fampiasàna teknolojiam-pifandraisana no nitranga. Niteraka resa-be hatrany ity raharaha Imerintsiatosika izay mahakasika ny famonoana ankitsirano telo mianaka ity. Raha tsiahivina dia olona fito no nalaina am-bavany tetsy amin’ny fampanoavana Anosy ary nidoboka am-ponja eny Tsiafahy nanomboka ny harivan’ny asabotsy teo ny roa tamin’izy ireo. Mora tanteraka ankehitriny ny fandotoana olona na vondrona avy amin’ny alàlan’ny tambajotra sosialy. Efa nisy ny nidoboka am-ponja ary nisesisesy mihitsy aza izany, momba ny fanaovana io karazana heloka io. Saika sarona avokoa ny tompon’antoka rehefa tena nandeha ny fanadihadiana. Mbola betsaka koa anefa ny tsy fay sy mbola misetrasetra.
D.R