- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha Inanantonana Betafo : Nahazo fahafahana vonjimaika izy fito voarohirohy

Raharaha Inanantonana Betafo : Nahazo fahafahana vonjimaika izy fito voarohirohy

Naharitra iray andro manontolo ny fizotry ny fankana am-bavany azy fito mirahalahy voarohirohy tamin’ny resaka fandorana ny biraon’ny kaominina tao Inanantonana omaly teto Antsirabe. Nahazo fahafahana vonjimaika izy fito mirahalahy voarohirohy ireto. Vao maraina dia efa tazana teny amin’ny fitsarana  avokoa ireo vahoaka maro be avy ao Inanantonana tonga nanotrona ny namany. Marihina fa isan’ny voarohirohy tamin’ity resaka ity koa ilay ben’ny tanàna teo aloha sy ny Pasitora iray amperin’asa ao Inanantonana. Tazana teny an-toerana koa ny fikamban’ny pasitera avy ao amin’ny synodam-paritany avatr’Imania. Raha ny fanazavan’izy ireo moa dia mahatratra 240 ny mpikambana fa izay tratra antso ihany no tonga teto Antsirabe omaly io. Nomelohin’ireto fikambanan’ny Pasitora ireto ny fomba nisamboran’ny Emmoreg ny pasitora namany izay nosokajiany fa mamoafady tokoa ka nanehoany ny alahelony. Raha ny fanazavan’ny solontenan’ny Pasitora hatrany dia teo ampihomanana ny hampianatra konfirmasioana ity pasitora ity no avy hatrany ny mpitandro filaminana no nihodidina ny tranony ary nisambotra azy toy ireny mpangalatra ireny sy nanala ny baiboly teny an-tanany niaraka tamin’ny fanevatevana samihafa. Andrasan’ny mpanara-baovao izay mety ho tohin’ny tantara.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici