- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha kalaky sy PA ary bala maro be tratra teto Toamasina :...

Raharaha kalaky sy PA ary bala maro be tratra teto Toamasina : Miandry fitsarana am-ponja izy dimy tratra, anaovana fikarohana izy telo lahy atidoha

Omaly no niakatra fitsarana ilay raharaha kalaky telo sy bast PA iray ary bala marobe saron’ny polisy tao am-paran’ny godorao Tanambao Verrerie Ambalakisoa ny herinandro nivalona iny. Niampy iray indray ny fahatrarana olona tao anatin’izany satria miisa dimy izy ireo izao niakatra fitsarana izao, raha mbola karohina kosa ny telo tena andian-jiolahy mpampiasa ireo basy tratra ireo amin’ny asa ratsy fanaony eto Toamasina sy faritra hafa. Efa misy ny fanelezana ny sarin’izy ireo hahamora ny fikarohana, izay iangavian’ny polisy fiaraha-miasa amin’ny rehetra sy ny andrimasom-pokonolona amin’ny fanomezam-baovao azy ireo. Ireo dimy niakatra fitsarana omaly kosa dia samy miandry ny fitsarana azy ao Ambalatavoahangy, na ilay ramatoa vao teraka iray volana aza, satria tena tafiditra amin’ny heloka be vava izao nataon’izy ireo izao raha ny fanazavana azo. Ankilan’izay dia voamarina izao fa tena basy fampiasan’ny mpitandro ny filaminana sy miaramila ireo basy kalaky sy basy PA ary bala marobe ireo, raha ny angom-baovao natao, nefa tsy mbola fantatra mazava ny toby nivoahany hatreto. Raha ny angom-baovao hatrany dia ny fanilihana ireo basy voalaza fa nivoaka tamin’ny krizy teto Madagasikara hatrany no hanilihana ny fandehanan’ireto basy ireto eny am-pelatanan’ny jiolahy, nefa raha ny fanazavana dia efa nanova bala fampiasa avokoa ny mpitandro ny filaminana sy ny miaramila taorian’ireo basy nolazaina fa nivoaka tamin’ny krizy ireo, ary ireo bala vaovao vao navoaka ireo mihitsy ireo tonga eny am-pelatanan’ny jiolahy ireo. Ho hita ny hotin’ny raharaha basy miparitaka amina jiolahy ity.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici